- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversSesilany ny fanafihan-dahalo ao Ikalamavony : Olona 15 maty voatifitra, omby an-jatony...

Sesilany ny fanafihan-dahalo ao Ikalamavony : Olona 15 maty voatifitra, omby an-jatony maro very

Tsy andro tsy alina, raha ny tati-baovao samihafa voaray, dia misavoritaka noho ny asan-dahalo nanao sesilany nanomboka ny fetin’ny pentekoty teo no mankaty, ireo mponina very fanahy mbola velona any amin’ny Distrikan’ Ikalamavony, Faritra Matsiatra Ambony. Ary mampilaza mialoha hatrany na mandefa taratasy ireo malaso mitondra basy mahery vaika rehefa hanafika tanàna ; izay tsy misalasala mamono, sahy mihantsy mpitandro ny filaminana mihitsy, nefa dia misy Kaompania miaramila Holafy 219 sy Borigadin’ny Zandary ny ao Ikalamavony. Afak’omaly antoandro, nanomboka tamin’ny iray ora sy 20 minitra, notafihan’ny dahalo indray ny tanànan’i Vohitsoa, ka nirefodrefotra tsy nifandrenesana ny poa-basy. Talohan’io, ny alahady teo, omby zato mahery tamina vala  efatra norobain’ny andian-dahalo nitam-piadiana tao Ampanivana. Noho ny firongatry ny fanafihan-dahalo ao Ikalamavony tampon-tanàna sy amin’ireo tanàna sy Kaominina manodidina hany sisa manana omby, dia Fokonolona 15 raha ny fantatra no maty novoin’ny dahalo hatramin’ny fiandohan’ity taona ity, ary omby an-jatony maro no very, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici