- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : « Sexy show », nanafintohina olona

Toamasina : « Sexy show », nanafintohina olona

Tao amin’ny toeram-pandihizana lehibe iray tao an-toerana no nisian’ilay hetsika, ny alin’ny sabotsy teo. Nisy afisy nipetraka mialoha ary dia tonga maro ny olona, indrindra ireo tanora. Samy nampiasa ny findainy ny ankamaroan’ny mpijery ary nisy ny nizara izany tamin’ny tambajotra sosialy. Teo ny taitra ny maro raha nahita ireo vehivavy tanora izay manao akanjo efa manakaiky ny mitanjaka tanteraka ary indrindra koa ny fihetsika mamoafady. Niteraka resa-be avy hatrany izany satria raha ny lalàna eto amintsika dia mbola tsy mamela ny fanaovana izany. Samy nahatsiaro ho nanana andraikitra ny ray aman-dreny, indrindra eo amin’ny famelàna ny zanaka hivoaka alina. Betsaka ny nahita ireo hetsika mivoana tao amin’ilay alim-pandihizana. Isan’ny noresahin’ny olona koa nt tokony handraisan’ny manam-pahefana fepetra amin’ny fandraràna ny fikarakaràna toa itony mba tsy hampiparitaka ilay kolontsaina ratsy, mamoafady. Ny olana mantsy dia mahita iny toerana hafa fivoahana alina dia mety hanao ny azy manokana koa. Ary dia tsy ho tàna intsony ny mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny tanora. Manana sampana miandraikitra manokana ny heloka mamoafady ny vondron’ny mpitandro ny filaminana ary raha ny olon-tsotra no nahita ny zava-nisy, inoana fa nahazo tatitra izy ireo ary tokony hanokatra fanadihadiana. Efa nisy tranga toa ity koa tany Diego tamin’ny taon-dasa. Saingy tamin’io kosa dia nalaky nandray andraikitra ny manam-pahefàna ary namoaka baiko ny handraràna ny hetsika rehetra izay mamoafady. Torak’izany koa, nanome sazy hentitra toa ny fanidiana ny toerana. Taorian’izay dia tsy nisy sahy nikarakara intsony ny mpisehatra. Eto an-drenivohitra indray dia re fa tena misy ny hetsika toa ireny saingy ao anatin’ny tambajotra tena mihidy. Sady tsy fantatra ny fisiany no tsy hita maso. Samy enjehin’ny lalàna avokoa izany rehetra izany hatreto ary ao anatin’ny ezaka hiadiana amin’ny fanolanana dia tokony ny fandraràna ny hetsika mamoafady aloha no isan’ny hifantohana.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici