- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversSeychelles : Tovolahy malagasy maty lasan’ny rano

Seychelles : Tovolahy malagasy maty lasan’ny rano

Ny zoma maraina teo tokony ho tamin’ny 10 ora, nandeha nilomano teny amin’ny toerana antsoina hoe “Bel ombre sud-ouest Beauvallon” any Seychelles ny olona vitsivitsy avy aty Madagasikara. Tamin’ny fotoana nilalaovany rano, tsy fantatra izay niseho fa dia lasan’ny ranomasina ny roa tamin’izy ireo. Voalaza fa nahery ny ranomasina tamin’io andro io ary lasa tany amin’ny lalina izy roa. Ratsy ihany koa ny toetr’andro any an-toerana.Niantso vonjy ka taitra ny namany iray tety an-tanety izay niezaka namonjy. Ilay tsy mbola lasa lavitra, voasintona. Niverina nanavotra ny faharoa ireo nahita, nefa efa lasa lavidavitra izy io ary ny tongony sisa tazana. Teo no ho eo ihany dia nampandre ny polisy sy ny mpamonjy voina ary ny mpiandry sisin-tany ry zareo. Efa tsy hita intsony ilay tovolahy fa natelin’ny rano tany. Teo no ho eo ihany dia raikitra ny fikarohana. Tsy nahitam-bokany anefa izany. Ny sabotsy maraina no voalaza fa natsipin’ny onja ny vatana mangatsiakan’ilay tovolahy. Efa karakaraina ny zavatra rehetra hahafahana mampody azy aty an-tanindrazana.

Nangonin’I r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser