Noraisiny ny basy dia notafihany ny toby fivarotan-tsolika Shell etsy Anosibe. Ny alin’ny alakamisy teo, tokony ho tamin’ny valo ora, no nitrangan’izany. Raha araka ny fanamarinam-baovao natao dia « agent de police » ity nahavanon-doza ity. Loza tokoa satria tsy vitan’ny hoe nania izy fa nivadika tanterakat amin’ny veliranon’ny asany dia ny fiarovana ny olona sy ny fananany izany. Izy indray no nandroba tamin’ny basy ilay toerana. Voarakitra tao anatin’ny raki-tsarimihetsika tamin’ny « vidéo de surveillance » avokoa ny heloka nataony ary tsy afaka mandà intsony na ny kely aza ity pôlisy ity. Dimy minitra taorian’ny fanafihana nataony dia efa voasambotra ilay pôlisy ary mbola teny aminy ny vola norobainy. Ny alin’iny ihany dia efa notazomina teo anivon’ny brigade criminelle etsy Anosy ary nanokafana fanadihadiana. Omaly no natolotra ny fampanoavana izy ary tamin’ny ora nanoratanay dia mbola niakatra teo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana ny raharaha. Raha araka ny vaovao farany dia nidoboka eny Tsisafahy. Isan’ny vaovao azo ny hoe tsy nanao fanamiana izy tamin’ny fotoana nanafihany. Omaly dia nanao fanambaràna ny fianakaviam-ben’ny pôlisim-pirenena momba ny zava-nitranga. « (…) maro ireo polisy izay tsy misorona manatanteraka antsakany sy andavany ny andraikitra napetraka taminy, nahitantsika taratra an’izany ny fepetra noraisina nandritra ny fetin’ny faran’ny taona, ka naharaisana fankasitrahana avy amintsika vahoaka, ary isaorana azy ireny (…) Misy kosa anefa ireo mbola minia mikipy ka mihoa-pefy, toy ny tranga izay niseho ny alakamisy teo ity (…) efa noraisina avokoa ny fepetra rehetra manolona ny zava-niseho, tsy nandrasana ela fa natolotra avy hatrany ny fitsarana raha vantany vao vita io maraina io ihany ny fanadihadiana teo anivon’ny sampandraharaha misahana ny ady heloka bevava, ary notanana am-ponja vonjimaika (…) hisy ihany koa ny fandraisana fepetra hentitra amin’ny maha mpiasam-panjakana azy » raha araka ny hita tao anatin’ny fanambaràna. Hisy araka izany, ankoatra ny fanenjehana ara-pitsarana azy, ny fanenjehana ihany koa amin’ny maha-mpiasam-panjakana.
D.R