Tsy afaka nidina avy hatrany, satria sady navesatra loatra ny fiaramanidina no be loatra ny tahan’ny entona tao aminy. Ireo antony roa ireo no nahatonga ny fiaramanidina tsy ho afaka nipetraka avy hatrany, ny antoandron’ny asabotsy teo. Voatery nivezivezy teny ambony teny nandritra ny 45 minitra farafahakeliny, izay vao nidina tsikelikely. Natao izay nandaniana ny solika tao anatiny mba hampihenana ny lanjan’ilay fitaovam-pitaterana ka hanamora ny fipetrahany. Fiaramanidina izay mitondra ny karazany Ambraer ilay nitondra ny olona izay efa nihorohoro tanteraka tao anatiny. Nisy hatramin’ny olona torana tao anatiny noho ny adin-tsaina izay nitambesatra tampoka. Na ny hotesses sy ny stewards aza, dia efa hita teny amin’izy ireo ny tahotra mafy, efa mena hatramin’ny masony, raha araka ny fitantaran’ny vavolombelona iray izay sady mpandeha rahateo tao anatin’io zotra io. Nisy hatramin’ny olona izay efa nanoratra taratasy farany ho fanaovam-beloma ny vady aman-janany. Izany rehetra izany, dia manaporofo fa tena efa kivy ny olona ary tsy nanam-panantenana firy intsony. Mba tafapetraka tsara ihany anefa ilay fiaramanidina na dia teo aza izany rehetra izany.
D.R