Nisehoana fikomiana nataon’ireo tantsambo Sinoa 15 lahy miaraka amin’ny komandan’ny sambo Flying tao amin’ny fonja ben’i Toamasina ny alakamisy tolakandro teo tokony tamin’ny 02ora sy sasany. Raha ny fanazavana ny resa-kanina izay ambaran’ireo Sinoa voafonja eto Toamasina ireto fa kely sy tara lava ka tsy mahavoky azy ireo, sy ny fahatsapan’izy ireo fa manana ny “marina “ sy ny rariny” izy ireo amin’ny fenjehana azy ireo ho mpanao trafika na andreman manenjika azy ireo ka tsy tokony giazana ao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy hono.
Voatery nifampiresaka tamin’izy ireo nanazavana ny zava-misy ireto Sinoa 15 lahy tatambo ny sambo Flying ireto izay naharitra ora iray sy sasany ny fifanazavana teo amin’ny fandraharahana ny fonja sy izy ireo tamin’izany. Tao anatin’izany dia efa nandray fepetra rehetra mifaraka amin’izany ny mpandraharaha ny fonja tao anatiny sy ny mpitandro ny filaminana tety ivelany niarovana ny fonja satria efa hita koa fa nanomboka nitangorona miandry tataka fotsiny ireo voafonja an’arivony ao Ambalatavoahangy; efa nisy mihintsy voafonja nikasa ny hitsamboka tamboho ka voatery nanapoaka basy in-03 ireo mpandraharaha ny fonja ho fanakanana izany. Efa nitangorona teo ambavahandy miditra ny tokontany ben’ny fonja ireto Sinoa ireto nandritra izany saika hanao an-tery ny fivoahan’ny fonja ben’i Toamasina. Efa ny fiafaran’ny tolakandro vao nilamina ny raharaha ary nanaiky ny fandaminana ihany ireto Sinoa 15 lahy mifonja eto Toamasina ireto, ary nanomboka omaly dia hanina manta no aterina ain’izy ireo ka anjaran’izy ireo no mahandro izany tahaka ny voafonja rehetra ao Ambalatavoahangy. Misy fepetra ny famindrana voafonja ho any Tsiafahy hoy ny tale ny fandraharaha ny fonja Toamasina Atoa Napou Jeremie, ka mbola tsy feno izany noho izany mbola ny fonja ben’i Toamasina ihany no misy ireto Sinoa 15 lahy mahazo MD tamin’ny fitsarana teto Toamasina ireto, raha tonga amin’ny tsy azo hanoharana satria mety hietaraka tsy filaminana ao amin’ny fonjan’i Toamasina izy ireo dia tsy maintsy ho raisina ihany ny fepetra amin’ny famindrana azy ireo amin’ny fonja mafimafy kokoa.
Ankoatra izay dia voatery navoaka ny fonja koa ny kmandan’ny sambo Flying sy ireo teknisiana roa lahy noho ny zava-nisy tao amin’ny sambo nisy azy ireo. raha natao ny angom-baovao dia tsy nisy olana firy ny sambo fan oho ireo motera mandrehitra ny herinaratry ny sambo mbola nandeha saingy tsy misy tatsambo intsony tao anatiny no niteraka ny kiririoka tao anatiny. Efa nasaina novonoina’ireto tatsambo ireto izany mba tsy hitrangan’ny olana hafa indray eo Spat
Malala Didier