Fahafatesan’ny lehilahy iray malagasy no nitarika ny olana. Maty voatifitra izy io. Voatifitra tsy nahy raha ny feo nandeha momba ity raharaha ity. Nilalao basy ny vadin’ilay sinoa (teratany malagasy) ary mety ho vokatry ny tsy fahafehezana izany dia nirefotra tampoka ary nahavoa ilay namam-badiny. Vetivety dia nahoraka tao amin’ny fokontany Antalamohitra izay nisy ny tranon’ilay sinoa izany. Tao anatin’ny fotoana fohy dia efa voahodidina olona ny toerana. Tombanana ho 400 lahy any ary olona efa vonona ny hanao fitsaram-bahoaka. Teo no tsy maintsy niditra an-tsehatra ny zandarin’Ambohidratrimo izay soa ihany fa mba akaiky azy ireo koa ny toby fiofanana etsy Ivato ka tonga nanampy azy ireo ny namany. Nihodidina teo amin’ny fanalàna haingana ireo mpivady tao an-trano ary nentina haingana eny amin’ny borigady iray mba ho fiarovana ny ain’izy ireo. Tetsy andanin’izany, mbola nisy aina kely ilay olona naratra tamin’io fotoana io ary noezahin’ny mpitandro ny filaminana navotana nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana, saingy tsy tàna intsony ny ainy. Ho an’ny olona marobe teo an-toerana dia novonoina izy io fa tsy tifitra tsy nahy izany. Voatery nandamina ny zandary ary dia voafehy tsikelikely teo ihany ireo fokonolona na dia mbola nisy nihainohaino hatramin’ny harivabe aza. Raha ny fijery azy koa dia betsaka ny saika hanararaotra hamaky ny trano ary mialoka ao anatin’ny hoe fitsaram-bahoaka. Efa nisy nitondra lasantsy ary handoro ilay trano. Nisy koa ny nitoraka vato ireo mpitandro ny filaminana. Nanomboka omaly ihany ny fanadihadiana ireo mpivady. Ankoatra ny vonoan’olona tsy niniana na niniana dia hiompana koa izany ao anatin’ny mety ho fisian’ny fahazoan-dàlana na tsia mitazona basy.
D.R