- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversSinoa mpamono olona : Misy mitaky ny famerenana azy any amin’ny fireneny

Sinoa mpamono olona : Misy mitaky ny famerenana azy any amin’ny fireneny

Tsy fanariana sinoa maloto akory i Madagasikara. Niainga tamin’io ny dinidinika tao anaty tambajotra sosialy izay niompana tamin’ilay sinoa Jiang Shao Wei, namono nahafaty mpivady mitovy fiaviana aminy, ny volana martsa lasa teo. Be loatra ny manjavozavo momba io mpanao heloka bevava io ary na ny tena anarany aza dia mampiahiahy. Ny fifanakalozam-baovao teo amin’ny firenena roa tonta anefa no namoaka fa efa mpanao heloka ihany koa izy tany amin’ny firenena sinoa. Dikany, lasa fanariana sinoa nahavanon-doza ve izany Antananarivo. Hatreto mantsy, raha ny fahafantarana ny momba ity raharaha ity, dia nikarama namono olona i Jiang Shao Wei tamin’io alina nialohavan’ny fitsoahany io. Nototany tamin’ny maritoa ary notrobarany tamin’ny zava-maranitra izy mivady  tao amin’ny hotely sinoa iray etsy Ivato. Nitsoaka namonjy ny vadiny tetsy Amboanjobe izy nony avy eo no nanomboka ny fifanenjehana tamin’ny fiara izay tsy niafara raha tsy voasakan’ny barazin’ny zandary tany akaikin’i Maevantanana ilay sinoa. Raha heverina fa nahavita heloka bevava toa ireny izy teto Madagasikara, mety ho efa nahavita mihoatra an’ireny ihany koa izy tany an-taniny tany, raha araka ny fijerin’ny olona iray tao anaty tambajotra sosialy. Marina fa efa noraisina ny fepetra faran’ny mafy momba an’i Jiang Shao Wei dia ny fitazomana am-ponja azy eny Tsiafahy izany saingy fepetra vonjimaika ihany izany. Ny tena tsara aminy dia averina any an-taniny, indrindra koa fa sinoa mitovy rà aminy ihany no niharan’ny heloka bevava nataony. Miandrandra araka izany ny fanjakana malagasy ireo mpanara-baovao mpampiasa tambajotra sosialy mba hanaitra ny masoivoho sinoa ary hanery azy ireo hamerina any an-taniny io sinoa nahavita heloka bevava io. Momba ity raharaha ity ihany dia mampalahelo tanteraka ankehitriny ny zanak’izy mivady (sinoa) izay akanga sisa nanamborana. Noho ny fahafatesan’ny ray aman-dreniny noho ny hetraketrak’i Jiang Shao Wei sy ireo olona sinoa hafa niray tsikombakomba taminy (telo izy ireo no eny Tsiafahy). Lasa ireo sinoa namany malala-tànana sisa no mijery sy manampy azy araka izay tratra. Verivery saina ilay lehilahy adolantsento, indrindra koa mbola tazomina ao amin’ny tranom-paty ny razan’ny ray aman-dreniny noho ny  tsy fisian’ny havany maka ny razana, eny fa na dia teo aza ny- resaka nandeha fa hodorana ireo faty.  

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici