Mihazakazaka tokoa ny fanadihadiana mahakasika ilay raharaha vono olona, ka nahafatesana sinoa mpivady izay nitranga tetsy amin’ny hôtely « Paon d’or » Ivato, ny marain’ny zoma lasa teo. Hatreto mantsy dia olona dimy no efa voasambotra ka ao anatin’izany ny tompon’antoka tamin’ny famonoana azy mivady : tovolahy iray 24 taona, tera-tany sinoa, fantatra amin’ny anarana hoe Shao Wei.
Efa nomanina. Na dia voalaza aza fa mbola mijanona ho tsiambaratelon’ny fanadihadiana ny antony nanosika ireto olona hamono azy mivady ireto, dia azo heverina ihany fa tsy maintsy resaka vola no ao ambadika. Ary ny olona sasantsany aza dia efa mieritreritra sahady fa misy hidirana « mafia » ity raharaha ity, toy ireo hita amin’ireny horonantsary ireny. « Saingy mbola tsy any aloha ny resaka, ary ny fanadihadiana ihany no afaka manamarina na tsia izany » hoy ireo tompon’andraikitry ny zandary avy ao amin’ny Vondron-tobim-pileovana Analamanga, nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly tetsy Ankadilalana. « Ny azo lazaina dia vono olona efa nokasaina sy nomanina mialoha izy ity. Satria efa nampiahiahy ny fanofàna ambonin’andro ilay toerana hihaonana amin’ireo mpivady novonoina. Tetsy andanin’izay, ny fitaovana nentina nanatanterahana ilay asa ratsy (maritoa sy antsibe) dia efa voavidy mialoha, andro vitsivitsy talohan’io zoma io, tao amina trano fivarotana lehibe iray teny amin’iny faritra Ivato iny » hoy hatrany izy ireo.
Volabe. Nisy volabe tany amin’ireo sinoa roa hita faty ary nanjavona tamin’io fotoana io. Vola izay azo heverina tsara fa lasan’ireo mpamono, ary ny ambiny, mitentina eo amin’ny efatra alina sy dimy tapitrisa ariary no hita tany amin’i Shao Wei, ny andron’ny nahatrarana azy, ny alahady lasa teo, tany Ambondromamy. Mbola tsy fantatra anefa hoe lasa aiza na aiza io volabe io. Loharanom-baovao manakaiky ireo mpanao fanadihadiana no nahafantarana fa, toa hoe naterina tany amina olona na andian’olona ilay volabe. Raha ny fantatra hatrany mantsy, dia manana olana ara-bola goavana amin’izy ireo i Shao Wei. Iretsy voalohany no nampahafantatra azy ny fisian’ireo mpivady sinoa, izay manana volabe ary mety afaka hanalany ny trosany raha tanterany an-tsakany sy an-davany ny zavatra tokony ho natao : ny famonoana sy ny fangalana izany volabe izany. Marihana fa efa nanana olana tamin’ny Fitsarana tany amin’ny tany niaviany tany ity tovolahy sinoa ity. Tonga teto an-toerana izy ary niasa tamina tranombarotra lehibe iray, saingy noho ny toe-dratsiny dia voatery noroahin’ny mpampiasa azy. « Efa niaiky ny heloka nataony izy. Tsy tapitra hatreo anefa ny fanadihadiana fa, mbola mitohy izany, ary mbola misy ny olona karohina amin’izao fotoana izao », hoy ireo tompon’andraikitra. Hiarahan’ny pôlisy sy ny zandary misalahy moa izany fanadihadiana sy famotorana izany.
m.L