- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversSinoa nalefa nitsoaka : Haverina tanteraka ny fanadihadiana

Sinoa nalefa nitsoaka : Haverina tanteraka ny fanadihadiana

Fiara “range rover” nentin’ny sinoa maromaro ary nahitana fitaovam-piadiana marobe. Nalaza teto an-drenivohitra iny raharaha iny tamin’ny tapaky ny desambra lasa teo. Fantatra ankehitriny fa haverina tanteraka ny fanadihadiana ary hiantefa voalohany any amin’ny mpitandro ny filaminana maromaro. Ny antony dia noho ny fanahiana ny fisian’ny firaisana tsikombakomba tamin’ny fampitsoahana ny iray tamin’ireo sinoa. Izany dia nitranga tao amin’ny hotely lehibe iray teto an-drenivohitra. Efa voasambotra ilay sinoa ary efa nohenoina no nekena tampoka indray ny fangatahany  hamonjy ny hotely misy azy mba hidio. Dia tao dia nolazaina fa nanjavona tao amin’ny efitranony izy. Rehefa “tafatsoaka” izy vao mody taitra ny mpitandro ny filaminana. Ny hadinon’ny rehetra tao anatin’ity raharaha ity, dia ny fisian’ny horonan-tsary izay tsy afaka ny mandainga ka nirakitra ny fandehan-javatra rehetra. Karohin’ny mpitandro ny filaminana fatratra izany ankehitriny saingy tsy omen’ny tompon’ny hotely izay tsy eto an-toerana rahateo amin’izao fotoana izao. Eo amin’izay no tsy maintsy nanokafana ny fanadihadiana izay niantefa any amin’ny mpitandro ny filaminana aloha. Ho afa-baraka tokoa mantsy raha sanatria miparitaka ilay horonan-tsary sy ny kolikoly rehetra izay koboniny. Mazava fa mifandraika amin’izay ny fandraisana fepetra maika momba ilay raharaha ka nanokafana sy hamerenana ny fanadihadiana. Raha ny fantatra dia  tsy ho ela intsony fakàna am-bavany ireo mpitandro ny filaminana izay ao anatiny ny mpanao fanadihadiana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser