- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSinoa nitifitra fonkisonera roa : Arahin’ny fianakavian’ny maty akaiky ny raharaha

Sinoa nitifitra fonkisonera roa : Arahin’ny fianakavian’ny maty akaiky ny raharaha

Mbola midoboka am-ponja eny Tsiafahy ilay sinoa atidoha nikotrika ny fitifirana ho faty ny fonkisonera roa. Torak’izany koa ireo polisy roa, mpiana-draharaha ny voalohany ary komiserany ny faharoa. Itsy voalohany no nitifitra nahafaty ary itsy faharoa kosa no voarohirohy ho namatsy fitaovam-piadiana nentina nanatanterahana izany. Raha hiverenana fohy, tetsy Ambohimahatsinjo-Imerinkasinina ny 15 novambra ny taon-dasa no niseho ilay heloka bevava. Mbola tao anaty fiara ireo mpiasam-panjakana roa no notifirina. Maty tsy tsa-drano ilay ramatoa raha mbola nisy aina kely ka afaka nitsoaka tamin’ny fiara ilay rangahy. Maty teny an-dàlana anefa io farany noho ny ratra be loatra. Ankehitriny dia milaza mazava ny fianakavian’ny maty fa tsy hatao ho vitavita foana ny raharaha. Efa tamin’ny volana martsa teo izy ireo no nisintona ny lakolosy fanairana satria naheno fa mitady izay fomba rehetra hivoahana ilay sinoa. Amin’izao fotoana dia mbola nizara ny alahelony indray ireo olona noho ny fandrenesana hatrany fa mitady hanao lava tànana ilay teratany sinoa ary efa matoky tena fa tsy hijanona ela intsony. Ireo fianakaviana ihany no milaza fa afaka miantso hatrany an-dafy ilay tompon’antoka tamin’ny famonoan’olona ary manazava (araka ny henon’ny fianakaviana voakasika hatrany) fa tsy ho ela intsony dia hivoaka, tsy misy fitsaràna izany ary avy hatrany dia hizotra any ivelany hitsoaka an’i Madagasikara. Raha tsiahivina fohy tokoa, fotoana fohy talohan’ny nisamborana azy, dia efa nilamina avokoa ny saika hitsoahan’ilay sinoa tany ivelany. Teny Ivato izy no voasambotra, efa an-dàlana hiditra ny fiaramanidina. Olon-kafa no nampanaovina ny firaiketana ny tapakila (enregistrement) ary rehefa tena hiditra anaty fiaramanidina vao nipoitra. Azo sary an-tsaina arak’izany fa tena lava tànana tokoa ny lehilahy. Izay indrindra no mahatonga ny fianakavian’ny maty manara-maso akaiky ny momba azy, eny fa na hatrany am-ponja aza. Raha fintinina dia orinasa sinoa iray eto an-drenivohitra no nosavain’ny tomponandraiki-panjakana ny momba ny sora-bola (bilan). Nolazaina fa tsy nisy izany. Vokatr’izay dia voatery nametraka fitoriana ny mpanao fitsirihana avy amin’ny fanjakana izay fonksionera roa samihafa. Habibiana tsy roa aman-tany anefa no valin-kafatra. Naniraka olona ilay sinoa mba hamono ireo mpiasam-panjakana ary dia tratra tokoa ny tanjony rehefa maty voatifitra ireo olona roa niandraikitra ny fanaraha-maso ny sora-bolan’ny orinasany. Misintona ny sain’ny tompon’andraikim-panjakana hatrany ny fianakaviana mba hanara-maso akaiky ity raharaha heloka bevava ity. 

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici