Manoloana ny tsy mbola fahitana vahaolana mba hamelomana indray ny orinasa Sirama ao Brickaville sy Nosy-be dia miantso ny fitondrana mijoro amin’izao fotoana izao ny mponina any amin’ireo toerana ireo sy ireo mpiasa ao amin’ity orinasa ity mba hamaha izany olana izany ao anatin’ny fotoana fohy. Hatreto, raha araka ny filazan’Andriamatoa Jean Paul, solonten’ireo mpiasa ireo, dia toa tsy misy vahaolana mihitsy ny fifanaraham-piaraha-miasa nataon’ny Fanjakana teo aloha tamin’ny orinasa izay noheverina fa hanarina ireo toeram-pamokaran’ny Sirama roa ireo. Vao mainka mitsipozipozy izany satria mbola tsy hita hatramin’izao, hoy izy, izay fanavaozana nentin’io fifanaraham-piaraha-miasa io. Ny mifanohitra amin’izany aza no mitranga, satria ny fivarotana ny tanin’ny Sirama indray no toa mahamaika ity orinasa mpamokatra zava-pisotro misy alikaola ity, ka mahatonga ireo mpiasa hihevitra fa angamba ho amin’ny tombontsoan’olon-tokana fotsiny izany. Nisy tokoa, hoy ity solontena ity, ny fitondrana mpiasan’ny Sirama nijery ny foiben’io orinasa io teto Antananarivo, izay toa milaza fa vonona hanao zavatra ity farany. Endrika ivelany ihany, hoy izy, no fahitan’ny mpiasa iny hetsika iny satria olona efa voaroaka ka tsy miasa ao amin’ny Sirama daholo ireny tonga tao ireny. Nambarany fa tena nanome fanantenana ireo mpiasa tokoa ny nilazan’ny Filoham-pirenena tao amin’ny kabariny nandritra ny fianiana nataony teo Mahamasina fa hiady amin’ny kolikoly ary hatao malalaka sy mangarahara ny tolotrasa amin’ireo orinasa izay hiaraka hiasa amin’ireo orinasam-panjakana ilana izany. Mba ho fanatanterahana izany dia takian’ny mpiasa ny hanaovana fitsirihana na « audit » ny Sirama Brickaville sy Nosy be, alohan’ny hirosoana amin’izay ho fifanaraham-piaraha-miasa vaovao.
T.M.