- Publicité -
samedi, janvier 17, 2026
AccueilFaits-DiversSMEDFM : Mitaky ny hamerenana ny hasin’ny dokotera fônksionera

SMEDFM : Mitaky ny hamerenana ny hasin’ny dokotera fônksionera

Toy ny fanaony isan-taona nandritra izay 9 taona nijoroanay izay, dia nanatanteraka ny fivoriambeny ho amin’ny taona 2019 tetsy amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalo Ampefiloha ireny sendikan’ireo dokotera fonksionera eto Mandagasikara (SMEDFM) , ny 07 jona sy 8 jona lasa teo. Nodinihina nandritra izany ny hametrahana drafitra hamerenana ny hasin’ny dokotera mpiasam-panjakana izay heverin’izy ireo fa tena latsaka ambany mihitsy amin’izao fotoana izao. Nojerena tamin’izany izay tokony hatao sy hatsaraina mba hahafahana manome tolotra sy kalitao tsara ho an’ny marary mba hanatrarana ny teny filamatry ny Minisiteran’ny Fahasalamana ankehitriny hoe « Fitsaboana manaja ny maha-olom-belona. Izany tokoa no tena idealy saingy, nomarihin’ny Dokoetra Liva Andrianarijaona,isan’ny mpitarika ao amin’ny SMEDFM fa tsy ho tanteraka izany raha mbola tsy miova ny fiainan’ireo mpitsabo ireo. Tsy afa-misaraka, hoy izy, ny fitsaboana manaja ny mahaolona sy ny fanajana ny maha-olona ny mpitsabo. Ahaoana tokoa moa no ahafahan’ny dokotera manome tolotra tsara ho an’ireo mpisitraka ny fahasalamana kanefa izy tenany aza marary ? Mahatsapa ho tsy araka ny tokony ho izy ary tsy mifanaraka amin’ny toetr’andro intsony ny karaman’izy ireo ankehitriny. Koa manaitra ny fitondrana mijoro amin’izao fotoana izao ny SMEDFM mba handinika indray ireo fitakiana izay efa nataon’izy ireo hatramin’ny fotoanan’ny Tetezamita.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici