- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 15, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSms fitaka : Voasoloky ny beantitra, lasa ny « pension »

Sms fitaka : Voasoloky ny beantitra, lasa ny « pension »

Misy miantso ary milaza fa nahazo valisoa avy amin’ny orinasa mpandraharaha fifandraisan-davitra iray ilay olona mandray ny antso. Izany dia mifanandrify mihitsy amin’ny fotoana vao avy nangalana ny « pension ». Dia roboka tokoa ny olon-dehibe satria mipetrapetraka tsara ny zavatra nampitaina taminy. Fitaka bevava anefa ny ao ambadik’izany. Misy Sms tonga ary mbola miampy antso mivantana, hany ka mora tafiditra anatin’ny fandrika ny olona. Ny tena hafetsena anefa dia ilay sms miendrika vola tonga dia misy « code » ampidirina vao azo (fitaka hatrany). Vao mampiditra izany dia ny kely ananana ao anaty finday indray no lasan’ireo olon-dratsy. Avy dia maty ny laharana findain’ireo farany vao azony ny vola. Nivaloharika ilay beantitra voasoloky ary niakatra hatramin’ny tosi-dràny, satria vola mba hoentina miaina mandritra ny volana maromaro no lasa tao anatin’ny indray mipi-maso. Ny mampanahy amin’ilay tranga dia toa fantatr’ilay mpisoloky hatramin’ny teti-bola notahirizina tao anaty finday. Midika izany fa olona ao anaty orinasam-pifandraisana afaka mijery kaonty ihany no mety ho anatin’ity tambajotra mpanao ratsy ity. Ny laharan’ny finday nandefasana ilay sms dia fantatra. Toraka izany koa ny laharana niantsoan’ny mpisoloky. Azo arahina tsara sy fandrihina ireto olon-dratsy manabaka ny beantitra ireto.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici