Maro ny olona izay nahazo hafatra fohy amin’ny finday, doka ho an’ny kandidà izany. Ary saika manerana ny faritra maro no niparitaka izany sms mifandraika amin’ny propagandy. Tonga hatrany ambanivohitra aza. Mipetraka avy hatrany ny fanontaniana hoe avy aiza moa izany no nahazoan’ny kandidà ny laharana findain’ny olona. Singa izay tsiambaratelo ary tsy misy afa-tsy ny orinasam-pifandraisana ihany no manana izany. Na misy raharaha ara-pitsaràna aza dia mbola maka alàlana eny anivon’ny fampanoavana ny mpitandro ny filaminana rehefa te-hahafantatra ny tompon’ny laharanan-telefaonina iray sy ny mombamomba izany. Ankehitriny anefa dia baranahiny tanteraka ny tsiambaratelo ary na ny mpiandraikitra propagandy aza dia mampiasa izany an-kalalahana. Olona mifankahafatatra ihany no tokony mifandefa sms. Izany hoe azo raisina ho mahafantatra ny olona andefasany hafatra fohy izany ny kandidà na ny mpiandraikitra propagandiny. Ary ny tena mahatalanjona dia tsy misy diso mihitsy ny hafatra fohy toa ny hoe kandidà any amin’ny faritra hafa no tonga ao anaty finday ny dokany fa kosa tena kandidà mifandraika amin’izay toerana misy ny fonenan’ilay tompon’ny finday. Ny tena nahatezitra ny olona dia manelingelina ireo hafatra fohy izay raha indray mandeha ihany mba nandeferana teny ihany. Fa kosa miverimberina mandritry ny tontolo andro ary nandritry ny vanim-potoanan’ny propagandy. Azo enjehina tsara araka ny lalàna manan-kery ny zava-misy saingy tsy handany andro amin’izany ny olona mazava loatra amin’izao fiainana efa sarotra izao. Mety ho ny fahatsapàna izany indrindra no mivadika fanararaotana ampiasain’ny orinasam-pifandraisana. Mba mila mandinika kely ihany satria sady mamoaka tsiambaratelo no miteraka fanelingelenana amin’ny fiainan’ny olona.
D.R
Efa nisy io toejavatra io teto Fianarantsoa tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka (izany noe olona hanao Lalàna). Nisintona lakolosy ihany aho amin’ny tsy mampety an’io kanefa …