Mitohy hatrany ny asa fisolokian’ireo andian’olona izay miainga avy amin’ny hafatra fohy amin’ny finday (sms) no fanatontosan’izy ireo an’izany. Vao haingana no nisy voasambotry ny polisy ary efa migadra kanefa toa mbola tsy nampihemotra ireo hafa izany. Tsotra ny fomba fiady : « Salama tompoko! Noho ny fankalazana ny faha-10 taona, SOCIETE OUEST SUCRE NAMAKIA dia faly miarahaba anao nahazo tele ecran plat 50 pouce sy Moto Honda 125cc ary Salon cuir complet, raha mila fanazavana fanampiny, antsoy laharana ity (03314931**). » Dia misy tokoa ny olona roboka ary manomboka eo ny tena fisolokiana. Lazan’ireo olon-dratsy fa saran’ny hahazoana ireo loka ny dia misy vola aloa ary tafakatra an-tapitrisany izany satria mbola lazain’ireo ihany koa fa haterina hatrany an-trano ny entana ary misy saran-dàlana arak’izany. Alefa amin’ny finday ny vola ary raha vao lasa dia tsy azo intsony izy ireo. Eo no manomboka resy lahatra izay voa fa lasibatry ny mpisoloky. Ny mahavarina dia na efa voasambotra ary ka noeritreretina fa rava ilay tambajotra mpandefa sms dia toa mbola misy mipoitra ihany ary sahy manohy ilay asaratsy. Midika izany fa mbola mahazo tombontsoa amin’io izy ireo. Mila hataon’ny sampana mpanenjika ny heloka amin’ny fitaovan-tserasera savahao indray ireto mpisoloky ireto.
D.R