- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversSoalafika-Belo sur Tsiribihina : Tompon’omby hitory eny amin’ny Bianco

Soalafika-Belo sur Tsiribihina : Tompon’omby hitory eny amin’ny Bianco

Tsy omby iray fa an’arivony no indray nalain’ny olona, ary ny tena olana dia nahavitan’ireo taratasy noho ny kolikoly. Ny taona 2011, raha namaivay ny fanafihan-dahalo tao Soalafika, fokontany eo anivon’ny distrikan’i Belo/Tsiribihina, dia nanapa-kevitra ny tompon’omby ny nandefa izany anaty ala mba hanafenana tsy hanintona ny dahalo. Nahomby tokoa izany, satria nihena ny fanafihana tao an-toerana. Rehefa niverina ny filaminana ka tonga amin’ny fampodiana ny omby ny tompony, indrisy, fa nisy nangalatra tao an’ala  ireo biby fiompy. « Ny anay, miisa 478 no nalefa tao anaty ala. Nanaraka marobe ireo ary efa tafakatra an’arivony ny isany. Arahinay maso hatrany rahateo ny fivoaran’ireo fanananay ireo, ary tsy avelanay hivoaka ny faritry ny tany misy anay » raha ny fanazavan’i Tsanga Tongavelo, tompon’omby. Notohizany fa nalain’ireo mponina sasany tao amin’ny fokontany manodidina, dia Ankazoberavina sy Mahasoa ary Ambonaranambiky ireo omby ary nahavitan’ireo taratasy noho ny kolikoly amin’ny manam-pahefana. Nanomboka teo (2012) ny ady izay tsy vita hatramin’izao. Nandeha ny fitoriana sy izay mifanaraka amin’izany kanefa tsy tafaverina amin’ny tompony mihitsy ny omby. Na ny didim-pitsaràna izay nanome alàlana ny famerenana ny omby aza, dia mbola nohitsahin’ireo olona notoriana avy amin’ny fampiasan-kery. « Nisy ampahan’omby izay nodidin’ny fitsaràna ny hamerenana azy taminay. Efa tonga tao an-tanàna ary nampidirina am-bala ireo biby no tonga indray ireo olona nangalatra azy niaraka tamin’ny basy. Tsy afa-nanoatra fa dia nitsoaka no azo natao » hoy hatrany i Tongavelo Tsanga. Ankehitriny, tapitra ny antanan-tohatra, satria mafy loatra ireo dahalo ambony latabatra ao an-toerana. Nanapa-kevitry ny niakatra aty an-dRenivohitra izy ireo ary hametraka fitoriana eo anivon’ny birao miady amin’ny kolikoly.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici