- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversSoalala : Fanaovana seky tsy misy anto-bola, vehivavy iray vadina kandidà depiote,...

Soalala : Fanaovana seky tsy misy anto-bola, vehivavy iray vadina kandidà depiote, karohina fatratra

Tsy misy tandroka tokoa ny ratsy ankehitriny. Ramatoa iray vadina kandidà depiote mifaninana amin’ny fifidianana Solombavambahoaka ao amin’ny Distrikan’i Soalala, Faritra Boeny, no karohina fatratra ankehitriny noho ny fanaovana seky tsy misy anto-bola (chèque sans provision) mitentina 200 tapitrisa Ariary. Araka ny loharanom-baovao azo, dia naka entana mitentina 200 tapitrisa Ariary tamina tranombarotra iray tao Mahajanga ity vehivavy ity, ka seky no nomeny nentina nandoavana ireo vidin’entana. Nefa rehefa nalaina teny amin’ny banky ny vola, dia tsy nisy an’io vola io tao amin’ny kaontin-dRamatoa. Noho ny fivadiham-pitokisana sy fitaka be vava nataon’ity vehivavy vadina kandidà depiote ity, dia nitory azy ilay mpandraharaha tompon’ny tranombarotra voasoloky very volabe. Raha ny loharanom-baovao azo hatrany, dia nampandosirina ity Ramatoa ity, mba tsy hanamaloka ny fampielezan-kevitra ataon’ny vadiny.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici