Sivy andro no faharetan’ny afo, nanomboka ny zoma 05 desambra ary tsy maty raha tsy ny alin’ny 13 desambra, vokatry ny filatsahan’ny orana. Ala maherin’ny 250ha, firiariavan’ireo karazam-biby, sy anirian’ireo zavamaniry tsy fahita firy sy fitsaboana maro no levon’ny afo, noho ny hetraketraky ny tsy mataho-tody tao amin’ny Valan-javaboaharim-pirenenan’ny Baie de Baly, Soalala, raha ny tatitra avy tamin’ny MNP (Madagascar National Parks) any an-toerana.
25 taona no niadiana tamin’ny doro tanety, ho fiarovana ity Valan-javaboaharin’ny Baie de Baly ity. Tsy mbola may mihitsy io faritra io, hoy ny taleny sady mpiandraikitra ny Tsingin’i Namoroka, Atoa Andrianjara Amavatra Hervé.
Ny mampalahelo anefa, dia ny ampitson’ny nanaterana ireo zana-tsokatra Angonoky roapolo tao Baly, ho fankalazana ny Hetsika Angonoky andiany faha-5 iny indrindra, ny 03 hatramin’ny 06 desambra lasa teo tao Soalala, no efa nanomboka nipoitra ny afo teny anivon’io valan-javaboahary io, raha vao niala teny ireo mpanatitra.
Nandritra ny sivy andro, nifarimbona hatrany namono afo ireo rehetra tao an-toerana niaraka tamin’ny Durrell sy ny MNP, fa tsy nahatohitra. Ny fahamaizan’ireo alana volobe na Voloando eo amin’ny 200ha, araka ny tatitra, no nampanano sarotra ny fidirana ny aty ala. Andanin’izay, ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny rano. Tsara hofantarina, hoy ny MNP, fa ao Soalala irery ihany koa no ahitana ny Voloando, na “perrierbambos madagascariensis”, ary ny tsirin’izy ireny no foto-tsakafon’ireo Angonoky amin’ny asara rehefa avy natory nandritra ny main-tany izy ireo.