Tsy milamina ! Nangingina hatreto ny resaka fitakiana niafara tamina sakoroka tao Soamahamanina dia misoko miadana indray ny asan-jiolahy. Ny alatsinainy alina lasa teo, hôtely iray tao an-toerana no notafihana andian-jiolahy mirongo basy maherivaika. Vola aman’hetsiny teo ho eo no very niaraka tamina finday, raha ny fampitam-baovao azo. Raha ny zava-nitranga. Tokony ho tamin’ny valo ora alina tany ho any, nanao amboletra tao amin’ity hôtely iray ny telolahy. Avy hatrany dia tifitra varivararaka no nataon’ireto olon-dratsy. Soa ihany, hoy hatrany ny vaovao fa mba tsy nisy olona voa fa niantefa teny amin’ny rindrina avokoa ny bala. Mazava ho azy fa nentin’izy ireo nampitahorana ireo olona tao amin’ity toerana izany. Tsy nisy sahy nihetsika akory noho izany ireo voatafika. Hany herin’izy ireo dia nanaiky izay rehetra notenenin’ireto olon-dratsy. Nanao izay danin’ny kibony araka izany ireto farany, nibata izay zakany sy naka izay azony. Vola dimy hetsy ariary, niampy ireo finday tao an-trano, no lasa raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary. Efa lasa moa ireo jiolahy vao afaka nampandre ireto farany ireo niharan’ny fanafihana. Niezaka ny tonga haingana teny an-toerana ireo mpitandro filaminana nanao savahao ny manodidina saingy efa nafenin’ny alina ireo mpanafika. Na izany aza anefa dia mbola mitohy hatrany ny fikarohana sy ny famotorana ataon’ireo zandary
m.L