Ny fiara nikitaontaona, toy ireny nanitsaka vato ireny, no nanaitra tampoka ny mpamily. Hay efa olona no notetezin’ny kodiaran’ity taxi-brousse, tao Soamahanina, ny alarobia alina teo. Namoy ny aina avy hatrany ity lehilahy voahitsaka ity. Raha ny fampitam-baovao azo dia nijanona teo amoron-dalana, tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny ity taxi-brousse « sprinter ». Tsy nisy nahatsikaritra, eny fa na hatramin’ny mpamily aza, tamin’io fotoana io, ny fisiana lehilahy iray, mamo, naka hatsiatsiaka tao ambanin’ilay fiara. Handeha hiainga tamin’izay ity fiara, novelomina. Toy ireny mbola nisy vato natao kaly ireny anefa ny kodiarana saingy nororitin’ilay mpamily ihany fa noheverina tokoa fa ho sakana kely izany. Kanjo rehefa tena niroso ny fiara dia mbola nahitsaka ilay « vato » hafahafa. Ny olona tety ivelany nahita no koditra tanteraka, nampandre ilay mpamily fa vatan’olona no nohosen’ilay fiara. Vatan’olona efa nihoson-drà tanteraka. Mbola nisy aina ilay voahitsaka tamin’io fotoana io ary noezahina nentina namonjy toeram-pitsaboana, saingy indrisy fa maty nony tonga teny an-toerana. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana. Nijery ifotony ny zava-nisy ary nitondra ilay mpamily natao famotorana. Ny razan’ilay lehilahy voahitsaka kosa dia efa nomena ny havany taorian’ny fitsirihana natao.
m.L