- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversSoamahamanina : Raikitra ny sakorona, nisy tifi-danitra sy baomba « lacrymogène »

Soamahamanina : Raikitra ny sakorona, nisy tifi-danitra sy baomba « lacrymogène »

Noravana ny barazy  nataon’ny fokonolona teo an-toerana. Natsipy tany amin’izy ireo ihany koa ny baomba mpandatsa-dranomaso mba hanaparitahana ireo olona marobe. Tao anatin’izany safotofoto izany no nisy olona iray voasambotra. Omaly antoandro no raikitra ny fifandonana teo amin’ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminan’ny Emmo-Reg. Namaly ny olona na teo aza ny poa-basy izay miendrika tifi-danitra sy ny baomba mpandatsa-dranomaso. Nihemotra kely dia niverina nanakaiky indray no sady niezaka nametraka sakana tamin’ny arabe hatrany mba tsy hahafahan’ireo Emmo-Reg manatona. Vokatr’izany rehetra izany, dia tapaka hatramin’ny fifamoivoizana tamin’ny lalam-pirenena voalohany. « Miala ny Sinoa sy ny forongony », izay no isan’ny sorabaventy hita teny an-toerana ary nanampy izany ny soratra teny amin’ny rindrina. Nesorin’ny mpitandro ny filaminana izany ary mainka koa nanamafy ny hatezeran’ireo mpitokona ka niteraka ny fifamaliana teo amin’ny roa tonta. Ny fahatongavan’ny tompon’andraikitry ny fiangonana no nampirava ny lalao, omaly. Midika izany fa mpiantsehatra lehibe izay afaka manampy amin’ny famahana olana ny fiangonana amin’ity tranga iray ity.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

6 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici