- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversSoamahamanina : Raikitra ny sarika am-pandriana

Soamahamanina : Raikitra ny sarika am-pandriana

Mbola mitohy ny fisamborana raha araka ny loharanom-baovao teo anivon’ny zandarimaria. Ny olona teo an-toerana ihany koa dia nanamarina an’izany ary nilaza fa nisy lehilahy efatra natao sarika am-pandriana. Izany dia taorian’ireny fifanandrinana teo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny olona nanao fihetsiketsehana teo an-toerana farany teo. Raha tsiahivina dia niteraka faharatrana teo amin’ny roa tonta izany ary koa fisamborana olona dimy tamin’ireo mpanao fitokonana. Tsy nijanona teo ny raharaha fa mbola nitohy tamin’ny fisamborana olon-kafa ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo. Vetivety dia nahoraka tao an-tanàna ny zava-niseho ary rah any fitantarana azo dia nisy ny nitsoaka hatrany anaty ala, tamin’ireo mponina, noho ny tahotra sao isan’ny hosamborina.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici