- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversSoamahamanina-RN1 : Hotely 2 nasesin’ny jiolahy 7 notafihana, 13 trapitrisa ariary voaroba

Soamahamanina-RN1 : Hotely 2 nasesin’ny jiolahy 7 notafihana, 13 trapitrisa ariary voaroba

Tranga tsy mbola fahita tamin’iny lalam-pirenena, ity indray mitoraka ity. Jiolahy  fito no indray no nanafika hotely fisakafoana manamorona iny lalam-pirenena voalohany (RN1) iny, ao Soamahamanina distrikan’i Miarinarivo, ny zoma 4 septambra lasa teo tokony ho tamin’ny 7 ora sy 30 minitra. Araka ny loharanom-baovao, dia niditra an-keriny tao amin’ireo hotely ireo ireto olon-dratsy izay voalaza fa mitondra antsy sy zava-maranitra. Tonga dia nandroba izay vola hitany teny amin’ireo tompon’ny hôtely. Tsy vitan’izay, fa mbola nandroba ireo lehilahy roa mpitondra kamiao  nijanona nisakafo teo an-toerana ihany koa ireto jiolahy ireto. Nahatratra 13 tapitrisa ariary moa no totalin’ny vola lasan’izy ireo tamin’izany. Tsy nisy kosa ny aina nafoy, na naratra satria tsy nisy ny fanoherana nataon’ireo niharam-boina fa dia nanaiky mora foana izay notakian’ireo mpanafika. Ireto farany izay lasa nandositra niatsinanana ny lalany, araka ny vaovao. Taorian’izay vao afaka nampandre ny zandary ireo voatafika. Indrisy anefa, fa efa nadio ny rano nitan’ireto jiolahy ireto rehefa tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana. Hatreto dia mbola tsy misy ireo voasambotra tamin’izao raharaha izao.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici