Mitohy hatrany ny fitakiana ataon’ireo mponina any amin’iny faritra Soamahamanina iny ny amin’ny fitakiana ny fialàna ireo teratany sinoa mpitrandraka volamena. Ny talata lasa teo, olona an-jatony maro, nilanja soram-baventy no tonga teny an-toerana, saika hiditra tao amin’ny toeram-pitrandrahana. Tetsy an-danin’izay anefa dia efa niantrana ireo mpitandro filaminana. Araka ny fanazavana azo dia tsy maintsy misoroka mialoha izay mety ho fihoaram-pefy na ihany koa fanakorontana mety hisy izy ireo, indrindra fa ny fanohitohinana ny filaminam-bahoaka. “Toy ilay hetsika farany iny mantsy, voatohitohina tanteraka ny fifamoivoizana ka tsy maintsy nandray andraikitra izahay” hoy ny fanazavana azo avy tamina tompon’andraikitra ambonin’ny mpitandro filaminana iray any an-toerana. Fantatra ihany koa fa nisy ny fivorian’ny OMC, tany amin’iny faritra iny, nandraisan’izy ireo fepetra ny amin’ny tsy tokony hisian’ny famoriam-bahoaka raha tsy nahazoana alalàna. Eo anatrehan’ny zava-misy any an-toerana dia maro amin’ireo mponina no manahy ny fisiana ambadika pôlitika ny amin’ity resaka ity. Raha ny fantatra mantsy dia nahitana mpanao pôlitika maromaro tonga teny an-toerana nitarika ireo vahoaka. Nilamina ihany ity savorovoro tany Soamahamanina ity rehefa nisy ny fifampiresahana raha ny fanazavana azo hatrany. Na izany na tsy izany anefa dia milaza ny tsy hanaiky fa hanohy hatrany ny hetsika ireto mpanao fitakiana ireto. Efa manomboka ny asany kosa etsy andanin’izay ireo teratany vahiny. Dia andrasana ny tohin’ny raharaha.
m.L