- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSoamahamanina : Taxi-brousse nivadika, mpandeha efatra namoy ny ainy, 20 naratra mafy

Soamahamanina : Taxi-brousse nivadika, mpandeha efatra namoy ny ainy, 20 naratra mafy

Nitombo indray, ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny, ny alatsinain’ny paska lasa teo. Ny alina, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany tany ho any, taxi-brousse iray no nivoaka ny làlana ary nivadibadika tanaty hantsany teo Moratsiazo, Soamahamanina. Vokany, mpandeha efatra be izao no indray namoy ny ainy, 20 kosa no naratra mafy ary anisan’izany ilay mpamily; izay mbola miady amin’ny fahafatesana. Araka ny fampitam-baovao azo dia fiara mpitatitr’olona mampitohy an’Ambositra sy Tsiroanomandidy ity niharan-doza ity, ary vao nitondra fianakaviana avy nandevina ity fiara ity. Izany dia vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily, raha ny angom-baovao hatrany. Satria raha izany halaviran’ny làlana izany dia tokony hijanona kely haka aina na mitondra mpamily iray faharoa ity farany. Tsy nisy afa-tsy izy irery anefa no teo amin’ny familiana, ary nandeha mafy tokoa ity farany. Noho ny harerahana dia tratry ny torimasofotsy ilay mpamily ka nivoaka ny làlana ilay fiara. Noho ny hafainganam-pandeha anefa dia tsy tana intsony ny familiana, ary dia nivadibadika tanaty hantsana ity taxi-brousse ity. Maty tsy tra-drano ny efatra tamin’ireo mpandeha. Nisy ireo nipitika nivoaka ny fiara ary tao ireo voatsindrin’izany ka voatery nosokirina tao mihitsy. Saika naratra mafy avokoa kosa tetsy andanin’izay ny ambin’ireo mpandeha  20 teo ho eo. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro filaminana nampianan’ireo olona nanatri-maso, nibata ireo naratra sy nandefa izany tany amin’ny hôpitaly. Misy amin’ireo naratra mafy ireo mantsy, raha ny vaovao hatrany ny mbola atahorana ny ainy, ka anisan’izany ilay mpamily. Efa mandray an-tànana ny fanadihadiana moa ireo mpitandro filaminana. Fa azo lazaina tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny tokoa no betsaka lozam-pifamoivoizana be indrindra tamin’iny fetin’ny paska lasa teo iny, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ilay fiara kely marika Peugeot 207, nivadika teo Analavory ka namoizana ain’olona ihany koa. Fa ankoatr’izay dia rangahy iray ihany koa no namoy ny ainy teny Ankadinondry rehefa nodomina môtô.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici