- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversSoamanandrariny : Andian-jatovo mpanendaka voasambotra

Soamanandrariny : Andian-jatovo mpanendaka voasambotra

Manodidina ny 19 ka hatramin’ny 25 taona eo izy ireo ary isan’ireo nampitondra faisana mpandalo sy tokantrano maro, teny amin’iny faritra Mahazo sy ny manodidina iny.

Mitohy hatrany izy ity ! Ankoatr’ireo efa voasambotra ny herinandro lasa teo dia mbola nisy hafa indray saron’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Soamanandrariny sy ny tobim-paritra Ambohimangakely. Tsy iza izy ireo fa ireo tontakely, andian-jatovo maromaro, nampikaikaika ireo mponina teny amin’iny faritra Ampasampito, tonga hatrany Ambohimangakely sy ny manodidina iny. Tamin’ity indray mitoraka ity, dia tafalatsaka tao anatin’ny haraton’ny zandary indray ry Fanday, Balaonina, Babaina, ary Main. «Efa-dahy mpanao ratsy, nikoizana tamin’ny resaka fanendahana, halatra môtô, famakiana trano, sy ireo karazana halabotry isan-karazany. « Ambohimahitsy, Ikianja, Ambohimangakely, Ambohimahitsy, Mahazo, Soamanandrariny, Ankadindramamy, Nanisana, Ampasapito, Amboditsiry, Ankandrina ary Ambatomaro, … ireo no tena toeram-pilalaovan’izy ireo » hoy ny zandary. Mbola teo am-pizahana izay ho rembiny ry zalahy ireto no nifanehatra tampoka tamin’ireo zandary mpanao fisafoana teny amin’iny faritra Soamanandrariny iny, ny faramparan’ny volana teo. Tsy nisy alaharo alaharo fa dia raikitra ny fifanenjehana ary niafara tamin’ny fahasamborana azy ireo. Tamin’ny famotorana no nahafantarana ireo asa ratsy efa nataon-dry zalahy ireto sy ireo mbola nokasainy natao. Marihana fa efa natolotra ny Fampanoavana izy ireo ary fantatra fa nadoboka am-ponja vonjimaika avokoa.

Tsiahivina tokoa fa nirongotra izay tsy izy tokoa ny resaka fanendahana sy vaky trano tato ho ato tamin’ireo faritra voalaza etsy ambony ireto ary efa maro ireo velon-taraina. Heverina araka izany taorian’ireo fisamborana nisesisesy tao ho ao izay dia mety hiverina hilaminana ny tanàna.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici