- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversSoamanandrariny : Famonoana sinoa vavy, telo lahy nalefa any Tsiafahy

Soamanandrariny : Famonoana sinoa vavy, telo lahy nalefa any Tsiafahy

Ny sabatra namonoana ilay sinoa niaraka tamin’ireo finday nisy ny sarin’ilay volabe.
Ny sabatra namonoana ilay sinoa niaraka tamin’ireo finday nisy ny sarin’ilay volabe.

Nahitam-bokany ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana mikasika ilay raharaha nahafatesana sinoa vavy iray, tetsy Soamanandrariny. Ireo roa lahy malagasy, niaraka taminy farany hatreto aloha no tratran’ny vela-pandrik’izy ireo. Raha ny fantatra hatrany mantsy, tamin’ny alalan’ny fanadihadiana, dia tratra tao an-tranon’izy roa lahy ireto ny sabatra iray, izay manondro tsara ny zava-maranitra nandidiana ny tendan’ilay sinoa vavy ka nitarika ny fahafatesany. Hita tao anatin’ny findain’ireto roa lahy ireto ihany koa ny sarin’ireo volabe, vola malagasy sy vahiny, tao anaty baoritra, very tamin’iny fotoana iny, miampy volabe hafa, izay tsy hita tany nanjavonana hatreto. Mbola ireto roa lahy, Haja sy Lalaina, ireto ihany koa no hita tamin’ny alalan’ny « caméra de surveillance », nifanao fotoana tamin’ilay sinoa vavy, talohan’ny famonoana, teny Andranomena, niaraka tamin’ny fiara tsy mataho-dalana « Ford Mondeo ». Ambon’izay, fantatra ihany koa fa efa nisy resaka nifanolanan’izy ireo tamin’ity sinoa vavy ity tany aloha tany. Manginy fotsiny ny maha mpandraharaha azy ireo amina afera tsy dia mazava loatra, toa hoe, resaka andramena, raha ny voalazan’ny pôlisy hatrany. Na dia tsy mbola niaiky ny heloka vitany aza ireto roa lahy ireto, dia tsy afa-miala amin’ireo porofo manondro azy sy ireo vesatra hanenjana azy. Niakatra fampanoavana omaly ireto roa lahy ireto ary nalefa eny Tsiafahy avy hatrany, niaraka tamin’ilay mpamily, nitondra ilay fiara tamin’io andro io, miandry ny fotoam-pitsaràna azy. Noafahana vonjimaika kosa ireo olona am-polony, voarohirohy tamin’ity tranga niseho ny 17 jolay lasa teo iny. Na izany aza, mbola eo an-dalam-pikarohana ilay tena atidoha nikotrika iny famonoana tamin’ny fomba mahatsiravina iny ny mpitandro filaminana. Ilay lehilahy fanintelony, voalaza fa terantany sinoa, niaraka tamin’izy ireo ny andron’ny famonoana. Mbola mitohy araka izany ny tantara …

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser