- Publicité -
mardi, juillet 15, 2025
AccueilFaits-DiversSoamanandrariny : Fasana nisy namaky, nikorontana ireo razana rehetra

Soamanandrariny : Fasana nisy namaky, nikorontana ireo razana rehetra

Na dia efa miparitaka sy mampisahotaka ny rehetra toy izao aza ity resaka valan’aretina pesta ity, dia ao ihany ireo sahy mamaky fasana sy mangalatra taolam-paty. Toy ity tranga niseho teny Manakafona Soamanandrariny ity, ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Ny harivan’ny zoma lasa teo tokoa mantsy, dia fasana iray teny an-toerana no fantatra fa nisy namaky. Ana fianakaviana iray ao Ambodin’Isotry ity fasana vaky ity, ary ny iray tamin’ireo fianakaviana no nahita ny fasana efa nivoha. Nilazana haingana ireo tompon’andraikitry ny filaminana tao Somanandrariny, ary nidina teny an-toerana. Tamin’ny fizahana ifotony ny zava-nisy tokoa no nahitana, fa tena nisy olon-dratsy namaky ilay fasana. Efa nikorontana avokoa mantsy ny razana tao anatiny. Tsy mbola fantatra anefa na firy ny taolambalo very na firy. Hatreto dia tsy fantatra izay nahavanon-doza. Tsy nisy nahatsikaritra rahateo izany raha tsy tamin’io andro io. Efa mandeha moa ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao mahakasika ity tranga ity. Amin’izao zava-mitranga eto amintsika eto izao tokoa, dia voalaza matetika fa mety ho ireny fanaovana famadihana, famindrana taolam-balo ireny no nampisy indray ity aretina pesta ity eto amintsika. Amin’iny lafiny iray izay,  fa tena azo eritreretina ihany koa anefa fa mety ho vokatr’ireo famakiana fasana etsy sy eroa ihany  no nipoiran’izy io, indrindra fa mety amin’ireo taolam-paty, tsy fanta-piaviana, izay narian’ireo tsy mataho-tody, etsy sy eroa tao ho ao izay. Iza no mahalala ?

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici