Fasana telo indray no indray vaky teny amin’ny fokontany Soamanandrariny tamin’ny faran’ny herinandro teo. Tsy dia mifanalavitra izy ireo fa teny amin’ny toerana antsoina Ambohipotsy Manankasina tsy lavitra an’Ambohibe Ilafy. Ny zoma teo no nahafantatra izany ny tompon’andrikitra tao amin’ny fokontany. Ny voavao no nahafantarana fa mpaka vilona no nilaza tany amin’ny andrimasom-pokonolona. Ireo indray no nampandre ny fokontany. Tsy niandry fa nandeha teny ireo tompon’andraikitra niaraka tamin’ny zandary. Tsy nisy azo natao fa niandry ny sabotsy maraina vao natao ny fizahana ifotony. Hita tamin’izany, tao amin’ny fasana voalohany fa efa nibanaka ilay izy. Razana iray no voalaza fa tsy hita. Manamarika ny tompon’andrikitra fa telo volana izay no nandevenana tao. Nojerena ny fasana faharoa ka tsikaritra fa efa nitoby tao am-pasana avokoa ny taolana rehetra. Tsy mbola nobataina nivoaka anefa izany. Nandeha ny fanamarihana fa vao herinandro no nandevenana io fasana io. Samy efa tonga teny an-toerana avokoa ny tompony, hoy hatrany ny vaovao. Tao amin’ny fasana fahatelo vaky nojerena, nilaza ireo tompon’andrikitra fa foana tanteraka ilay izy. Izany moa dia niarahany nijery tamin’ny zandary teny an-toerana izay tonga niaraka nizaha ny zava-nisy. Omaly nandritra ny resaka natao tamin’ny tompon’andraikitry ny fokontany no nahalalana fa tsy mbola tratra antso ny tompon’io fasana io.
r.s.