Rà nivaly rà ! Maty voatifitry ny zandary ny alakamisy maraina teo tetsy Soamanandrariny ilay jiolahy raindahiny, namono nahafaty mpitantana « cash point » teny amin’iny faritra manodidina iny. Tamin’’ny fotoana nisamborana azy dia voalaza fa mbola nahavita nandratra zandary iray, ny lehilahy ary nikasa ny hitsoaka, antony nahatonga ireo mpitandro filaminana nitifitra azy. Tsy vitan’izay fa efa hikoizana tanteraka amin’ny resaka fanendahana ato anatin’ny Distrikan’Antananarivo avaradrano ny lehilahy ary mpisakana sy manambana basy ary mandroba ireo mpandeha bus tratra hariva.
Taorian’ity vono olona mahatsiravina ity dia niditra an-tsehatra avy hatrany tamin’ny fikarohana ilay nahavanon-doza ny zandary notarihin’ny lehiben’ny zana-tobi-paritra teo an-toerana. Fantatra tamin’izany fa izany lehilahy fantatra amin’ny petak’anarana hoe « Kia » izany no tompon’antoka. Jiolahy efa rain-dahiny ary efa nampitondra faisana olona maromaro moa ny lehilahy, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny fanafihana « cash point », teny Soamanandrariny, ny volana martsa lasa teo, ny fanafihana mitam-basy izay efa nifanenjehan’ny mpitandro filaminana saingy tafatsoaka ary ny farany dia ilay vono olona, famonoana ankitsirano ilay mpitantana cash point tetsy Ambatomaro.
Fantatra taorian’ny angom-baovao isan-karazany ny trano niafenany, ary notongavana nanaovana sarika am-pandriana vao maraina tao amin’io toerana io ny lehilahy, ny andron’ny alakamisy. Tratra niaraka taminy ny basy fitondrazany manafika sy ny bala maromaro, hoy ny fampitam-baovao. Teny an-dalana ho any amin’ny biraon’ny zandary anefa no namorona fikafika handosirana ny lehilahy. Mody nilaza fa hivalan-drano kanjo nandray vato ary nitoraka ny iray tamin’ireo zandary nisambotra azy ary nanararaotra nitsoaka. Naratra vokatr’izany ity farany, raha ny vaovao hatrany. Teo no tsy maintsy nitifitra, nampijanonana azy ny zandary. Voa teo amin’ny tongony ity farany saingy noho ny habetsaky ny rà very dia namoy ny ainy izy, raha ny vaovao navoakan’izy ireo hatrany. Mbola mitohy hatrany anefa aloha ny fanadihadiana na dia efa tsy afa-manao ny asa ratsiny intsony aza ingahy Kia. Mbola maro ireo namany miriaria any hoy hatrany ny fanazavana azo.
m.L