Tetsy Soamanandrariny no niseho ilay heloka bevava. Raha hamonjy ny fodiany ilay ramatoa rehefa avy niasa teny Ambatomaro no nifanena tamin’ny mpanendaka. Rehefa tsy nisy vola azo nalaina teny aminy dia nitarika ny hatezeran’ireo olon-dratsy izany. Natontona tao anaty fotaka ity renim-pianakaviana izay 37 taona ary manan-janaka telo mianadahy. Nosemporina tao anatin’ny ranom-potaka izy. Mbola nanan’aina kely izy ary tafody tao an-tranon’ny havany izay mba akaiky teo ihany. Nentina avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana ary rehefa notarafina ny tratrany dia hita fa feno fotaka. Sempotra tanteraka ilay ramatoa ary tsy nisy na inona na inona azo natao intsony. Betsaka ny tohina raha naheno ity tranga ity ary na ny orinasa izay niasan’ilay ramatoa aza dia nanao antso avo amin’ny tompon’andraikitry ny fandriam-pahelamna mba hijery akaiky ity raharaha ity. Rehefa tsy nisy vola izany dia novonoina ho faty. Asa mba inona loatra ny ao anaty lohan’ireto mpanendaka ireo. Mendrika ny sazy mavesatra indrindra rehefa tratra ary mendrika ny hokarohana sy atao savahao koa.
D.R