- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversSoamanandrariny : Sinoa avy nisy tsatoka antsy, hita faty tao anaty 4X4...

Soamanandrariny : Sinoa avy nisy tsatoka antsy, hita faty tao anaty 4X4

Ny tolakandron’ny omaly vao fantatra fa hay faty no tao anatin’ialy fiara.
Ny tolakandron’ny omaly vao fantatra fa hay faty no tao anatin’ialy fiara.

Ny alin’ny alarobia dia efa hitan’ny olona nijanona teo Ambatonosy, toerana manasaraka ny fokontany Soamanandrariny sy Apatsy, akaikin’ny sampanana mizotra hoany Ilafy, ilay fiara tsy mataho-dàlana nentiny. Saingy tsy nisy nieritreritra mihitsy ny olona hoe misy faty ao anatiny. Ny marain’ny omaly dia mbola tazan’ny olona teo ihany ilay fiara ary tsy nihetsika teo amin’ny toerana nisy azy mihitsy. Nanomboka amin’izany ny fanahiana ny tolakandro, satria nanomboka liana ny olona ny amin’ilay fiara sy izay ao anatiny. Nientana ny olona teo amin’ny fokontany ary dia natao ny fisavana an’izany. Saika nihorin-koditra avokoa ny rehetra teo, raha nahita ity fatin’olona efa mitsitra sy mihosin-drà tanatin’ity fiara. Vehivavy tompon’ny fivarotana iray etsy Behoririka izy io ary teratany sinoa. Teo amin’ny tendany mihitsy no niditra ny antsy ka mazava hoazy fa nitarika ny fahafatesany. Nampandrenesina teo ny mpitandro filaminana. Samy tonga teny an-toerana ary nanao ny fizahana ny razana ny zandary sy ny pôlisy. Raha ny re hatreto , momba ity raharaha ity, dia efa hamonjy fodiana ity ramatoa ity no tapakevitra ny nijanona tampoka teo Soamananandrariny. Nalefany nody ny saoferany dia niaraka tamin’ny sinoa roa hafa tao anaty fiara tao izy, raha ny vaovao voalohany azo tamin’ny loharanom-baovao akaiky ny mpanao fanadihadiana. Iza ireo sinoa roa ireo? Mazava hoazy fa tsy maintsy hiompana amin’ny fitadiavana azy ireo ny fanadihadiana izay omaly ihany dia efa nisokatra. Fantatra ihany koa fa nanao fitarainana ny havan’ilay sinoa raha vao tsy tonga ara-potoana tany an-tranony izy. Nanafaingana ny fahafantarana azy izany. Nandeha ny feo teny an-toerana omaly fa misy vola iray baoritra izany tao anatin’io fiara io. Mitentina 50 tapitrisa ariary izany. Io hatreto no heverina fa nataon’ireo olon-dratsy lasibatra ka nitarika ity vono olona ity. Nahitàna baoritra tokoa tao anatin’ilay fiara, saingy baoritra tsy nisy na inona na inona intsony.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser