- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversSoamanandrariny : Zazalahy 10 taona, tapa-tànana

Soamanandrariny : Zazalahy 10 taona, tapa-tànana

Ny alatsinainy teo, zazalahy kely vao folo taona monja no fantatra fa tapaka tànana teny amin’ny faritry Soamanandrariny. Ankoatra izany, voalazan’ny vaovao voaray avy tamin’ny fianakaviany, naratra ihany koa ny lohany. Fotoan’ny fialantsasatra izao ary tsy vitsy ny ankizy mandeha milalao eny rehetra eny. Anisan’izany ity ankizilahy ity. Fomban’ny zaza ny manandrankandrana ary saika mananihany. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa andiany vitsy ireto ankizy ireto tonga nampanenao “sonnerie” tamina tranon’olona ireto. Rehefa izany, lasa nandositra ny sasany. Ilay ankizy lahy kosa nandeha mora, hoy hatrany ny vaovao. Izy no tratra farany ary dia niharan’ny hatezeran’ny tompon’ilay trano teo. Maratra mafy tokoa izy. Raha nahita izany ny ray ama-dreniny, tsy nanaiky ny zavatra nahazo ny zanany. Nitondra ny raharaha teny amin’ny mpitandro filaminana ry zareo amin’izao fotoana izao, hoy hatrany ny vaovao.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser