Anio izy ireo olona an-jatony no hitantara amin’ny mpanao gazety momba ny fatiantoka rano iray izay nianjady tamin’izy ireo. Ny tsy fahamatoran’ny mpikarakara, ny mpampanofa ny toerana izay nanasiana ny fivarotan-tsakafo no hotorian’ireo olona marobe, maherin’ny roanjato raha ny tombatombana. Manodidina ny dimy hetsy sy iray tapitrisa olona ny nanomanan’ireo mpivarotra sakafo. Tsy vitan’izany aza fa mihinana in-telo isan’andro ireo ary ampitomboina enina (roa andro) izany io isa io, raha kely indrindra, raha araka ny tomban’ny mpanao sakafo sy ny nampanantenain’ny mpampanofa toerana azy ireo. Tao anatin’ny fifanarahana, raha araka ny filazan’ny olona izay hitory, dia napetraka tsara fa tsy afaka ny mivezivezy mivoaka ny toerana intsony raha vao tafiditra ao ny mpivarotra sakafo. Dikan’izay, entina avokoa ny akora rehetra (sakafo) sy ny fitaovana entina hikarakarana an’izany. Vita soa aman-tsara ny fipetrahana teny Soamandrakizay ny alin’ny zoma. Ny asabotsy maraina dia efa nanomboka ny olana rehefa tsy nisy herinaratra teny an-toerana. « Tamin’ny misasakalina vao tonga ny herinaratra ary raha mandeha 15 minitra dia maty indray mandritry ny 20 minitra manaraka » raha ny fitarainan’ireo mpivarotra sakafo ihany. Vokatr’izay dia simba ny ampahany betsaka amin’ny entana hamidy. Ny hena nasiso ary ny gilasy sy ny esquimau dia nitsonika tanteraka. Tsy vitan’izay fa izay sakafo kely mba vita dia mbola tototry ny vovoka indray. Nitorajofo tokoa mantsy izany tamin’ny faritra sasany teo an-toerana. Ny teny akaikin’ny toerana nisy ny sorona masina ihany no tsy nisy vovoka be satria nanaparitahana akora mifehy izany. Ny teny amin’ny faritra sasany kosa zara raha nisy kamiao « citerne » kely roa mba nanaparitaka rano, kanefa ny toerana midadasika be amin’ny hekitara maro, hoy hatrany ny fitarainana. Rehefa nanontaniana nanomboka teo ny mpampanofa ny toerana dia nanomboka maty ny laharana findainy ary tsy hita mihitsy izay nalehany, hoy ireo olona. Toeram-pivarotana miisa 273 no niandraikitra ny sakafo teny Soamandrakizay ary 600.000 ariary ka hatramin’ny 700.000 ariary ny hofany. Misy ny very vola hatrany amin’ny 20 tapitrisa ariary mahery tamin’ity raharaha ity. « Vata fampangatsiahana tsy latsaky ny dimy no nampiasaina ary omby telo no novonoina. Simba ny fitaovana noho ny herinaratra tsy tomombana ary potika ny sakafo sy ny akora rehetra » raha ny fanazavan’ny iray amin’ireo mpitory indray, maneho ny alahelony. Hifampitaona ireo olona anio ary hitory ny mpampanofa ny toerana izy ireo.
D.R