Nanakohako nandritra ny andro maro lasa tamin’ny alalan’ny feo niely etsy sy eroa ny fitrandrahana volamena niampy fanampotehana tany fambolem-bary ny mponina amin’ny » Engins, » any amin’ny fokontany Soamandroso, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antanimbary, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, izay nataon’ireo Sinoa Kely maso tsy fantam-pihaviana. Nohon’io tranga io dia nidina nijery ny zava-nitranga tany an-toerana ny tompon’andraikitra misahana ny harena an-kibon’ny tany ato anatin’ny faritra Betsiboka sy ny ben’ny tanàna mitandraikitra iny faritra iny, ny lehiben’ny Zandary ao Antanimbary. Tamin’izany indrindra no nametrahana lamina sy marimaritra niraisana tamin’ireo Sinoa Kely maso sy ny mponina tompon’ilay tany fambolem-bary, ary ny fampifantarina ny roa tonta ny lalàna mifehy ny fitrandrahana. Etsy an-daniny dia milaza ny tompon’andraikitra misahana ny harena an-kibon’ny tany fa ara-dalana ny taratasy ahafan’ireo Sinoa mitrandraka volamena any amin’ny toerana voalaza etsy ambony. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa manao izay tiany atao amin’ny fitrandrahana, any amin’iny faritra iny ry zalahy Sinoa Kely maso ireto. Ratantely
Entrer
Randriamamonjy