- Publicité -
mercredi, juillet 23, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSoanavela-Ilafy : Dokotera ao amin’ny Hjra misy mandrahona ho faty

Soanavela-Ilafy : Dokotera ao amin’ny Hjra misy mandrahona ho faty

Efa mipetraka ao amin’ny BC etsy Anosy ny fitoriany taorian’ny fandrahonana ho faty azy. Mpitsabo eo anivon’ny Hjra ao amin’ny sampan-draharahan’ny famelomana aina ny Dokotera Bessa. Olona roa no indray notononiny anarana tao anatin’ny taratasy fitoriany. Ady tany no anton’ny fifamaliana. “Misy taninay ary mbola mandeha ny raharaham-pitsarana momba izany, kanefa nisy olona nanorina teo amin’ny ampahany. Ny herinandro lasa teo dia nikarakara voly teo an-toerana ny fianakaviako, kanefa korontana avy hatrany no naterak’izany rehefa nosimbain’ny ankilany ny zavatra nataonay. Mbola narahin’ireo vava izany toa ny hoe ’tsy ho afa-bela aminy aho ary mbola higogogogo hitomany eo anatrehany” raha ny fanazavan’ny dokotera; izay nomarihany tao anaty taratasy fitoriana ihany koa. Ity ady tany ity, izay efa navoaka an-gazety hatrany, dia efa nisy ny taratasy avy amin’ny ambaratonga maro, isan’izany ny kaominina, ny amin’ny fandraràna ny hanorenana eo amboniny aloha mandram-pahavitan’ny raharaham-pitsarana. Tsy nanakana ny fanohizan’ny ankilany nanao ny asa fanorenana anefa izany didim-panjakana izany. Ny olana aza dia ny Dokotera Bessa indray no nampanantsoina teny amin’ny zandary tetsy Ankadikiely ny ampitson’ny niantsoana ireo olona notoriany teny amin’ny BC. Fomba iray izay matetika ataon’ny olon-dratsy ihany izany mba handemena ny fahavalony rehefa misy ny raharaham-pitsarana. Saingy tsy hijanona fotsiny amin’izao aho fa hiady hatramin’ny farany, hoy ny Dokotera Bessa izay manintona ny lakolosy eo anivon’ny ambaratonga samihafa…

D.R

Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser