Ny alakamisy 19 oktobra lasa teo dia nitrangana halatra lavanilina efa masaka tao amin’ny kaominina iray ao amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo. Mahatratra 900 000 ariary ny kilaon’ny lavanilina masaka ao Soanierana Ivongo izao. Lavanilina milanja 35 kg mitentina 31,5 tapitrisa ariary an-dalam-pamarotana efa voaomana tao anaty baoritra ity nisy nangalatra, nandritra ny vaky trano nanjo ity mpandraharaha no sady mpivarotra iray ity. Tsy nahare na inona na inona ny tompon-trano saingy taorian’ny halatra nahazo azy dia nanao fanadiadiana izy ireo, ka fantatra fa tovolahy iray teo an-tanàna ihany no nitarika ireto andian-jiolahy namaky ny tranony sy nangalatra ireto lavanilina 35 kg tao. Vao nahare izany anefa ny fokonolona dia nisambotra ity tovolahy ity ary avy hatrany dia raikitra ny fitsaram-bahoaka, vokatra izay dia nanoro ny namany iray hafa ity tovolahy ity ka tratran’ny daroka ihany ka nanondro ireo namany efa-dahy saingy tsy tratra ireto farany. Noho ny daroka nahazo ireto roa lahy tratra dia maty tsy tra-drano ny iray, raha mbola avotry ny zandary nijery ifotony ny zava-nisy ny iray hafa ka notsaboina teo anivon’ny hopitaly Morafeno teto Toamasina noho ny ratra mafy nahazo azy, ary naverina any Soanierana Ivongo kosa ankehitriny hiatrika ny fakana am-bavany azy. Eo am-panarahan-dia ireo efa-dahy nitsoaka koa ny zandary any an-toerana izao, ary manara-maso ihany koa ireo mpandraharaha mety nividy na namarotan’ireo andian-jiolahy ity lavanilina halatra ity. Ankoatra izay dia isan’ny vokatra efa miakatra ihany koa taorian’ny taom-pihotazana azy efa nisokatra roa heinandro izay ny jirofo. Raha ny angom-baovao natao tany an-toerana dia mahatratra 17 000 ariary hatramin’ny 18 000 ariary ny kilao arakaraka ny hatsaran’ilay jirofo sy ny kaominina hakan’ireo mpanangom-bokatra izany.
Malala Didier