Saron’ny mpitandro filaminana mialoha ny fanafihana nokasaina andian-jiolahy natao ny olona 6 mampiahiahy tao Andavanio, Soanierana Ivongo, ny sabotsy lasa teo. Tratra tany amin’ireo olona ireo ny basy enina niaraka tamin’ny bala maromaro. Raha ny fampitam-baovaon’ny zandary any an-toerana dia ny fokonolona no nampandre ny mpitandro filaminana ny amin’ny fisian’ny olona mampiahiahy tao amin’io fokontany voalaza etsy ambony io. Miisa enina ireo olona ireo ary vehivavy ny iray raha ny fantatra hatrany. Rehefa nidina tany an-toerana ny mpitandro filaminana dia nitsoaka ireo olona ireo ka ny dimy tamin’izany no voasambotra. Rehefa niroso tamin’ny fisavàna ny mpitandro filaminana dia nahitana basy poleta 2, basim-borona 1 ary bala miisa 14. Mbola nahatratrana fitafiana miaramila frantsay ary ody gasy maromaro tany amin’izy ireo. Nibaboka ireto olona ireto fa saika hanafika an’Ampasimbola. Natolotra avy hatrany ny Fampanoavana moa izy ireo.
m.L