
Tao amin’ny fokontony Menara kaominina Ambahoabe distrikan’i Soanierana Ivongo, ny alatsinainy 30 desambra ny taona nivalona iny, dia nahita vono olona feno habibiana teo amin’izy mivady ireto, ka ilay ramatoa 36 taona no novonoin’ny vadiny tao anaty sahan-davanilina iray azy ireo ihany, tany an-toerana. Disadisan-tokantrano no niandohan’ny raharaha ka niafara tamin’ny fizarana ny entana tao an-trano sy ny tany fambolena rehetra ary tao anatin’ity sahan-davanilina nozaraina ity no niseho ny tena ady mivantana ka niafara tamin’izao vono olona feno habibiana izao. Tany amin’ny hatony no voan’ilay kapoka hazo nitarika ilay fahafatesan’ilay ramatoa, ary vao hitan’ilay rangahy fa maty ny vadiny dia naleviny tao anatin’ity tany fambolen’izy ireo lavanilina ity ihany. Fanaon’izy mivady teo aloha raha vao misy fety tsy misaraka mihitsy fa mifanjohy eny foana, ka teo no nahagaga ny olona tao anatin’ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taona vaovao, fa ilay rangahy irery ihany no hita nifety sy niliba nandritra ny fety rehetra. Nanomboka teo ny ahiahin’ny mpiarahamonina ka nanao fikarohana momba ilay ramatoa sy hitan’izy ireo ity. Ny alarobia 08 janoary teo, taorian’ny fanadihadian’ny mponina, dia fantatra fa novonoin’ilay rangahy vadiny ilay ramatoa ary niaiky izany ny tenany raha nanaovan’ny mponina fanadihadiana lalina ary nanondro ny toerana nandevenany ny vadiny. Hatreto aloha, dia tsy neken’ny havan’ny maty hoentina amin’ny zandary ilay rangahy namono fa mbola nohazonina ao Ambahoabe hatramin’ny fotoana nanoratana ny vaovao. Ny havan’ilay rangahy namono kosa izay filoham-pokontany ao amin’ny fokontany Menara, dia efa vonona ny hitondra azy eo anoloan’ny mpitandro ny filaminana ao Soanierana Ivongo, hisorohana izay mety ho fitsaram-bahoaka hahazo azy. Ny zandary ao Soanierana Ivongo kosa na mahalala tsara ny raharaha aza dia tsy te-hiditra noho ny fahatezeram-bahoaka ao Ambahoabe noho ity vono olona nahatsiravina ity.
Malala Didier