
Zava-doza no nitranga tao Soanierana Ivongo noho ity fahantran’ny tokantrano tsirairay eto Madagasikara ity. Vokatry ny fihinanana « holatra tantely » ny alahady teo, izay nahandroan’izy ireo hilaofana antoandro, dia ankizy roa 05 taona sy 15 taona no maty tamin’ireo ankizy 03 mirahavavy iray tampo nihinana ilay « holatra tantely ». Zaza 09 taona sisa mbola tsaboina noho izany ary nilaza ny tooeram-pitsaboana azy fa tsy misy atahorana ny ainy amin’izao fotoana izao noho ireo fanafody atao aminy. Raha ny fanazavana azo dia navelan’ireo ray amn-dreniny irery tao an-trano izy telo mirahavavy, ny antoandro anefa dia nijery zavatra azo atao loaka tany anaty ala izy telo mirahavavy, ka sendra ity « holatra tantely » misy poizina ity, izay tsy fantany ny fisian’izany ka izao nitera-doza izao. Araka ny fanazavan’ny mpitsabo dia tena mahafaty haingana ity holatra ity raha vao hanina, satria misy singa mampalemy ny vatana ao anatiny, ka izay no antony nampadoa azy ireo raha vao avy nihinana ilay holatra. Ny fitrangany taorian’ny fihinana azy dia nivalana sy nandoa izy telo mirahavavy, ka taorian’izany dia nifandimby namoy ny ainy ny vavimatoa 15 taona sy ny faravavy 05 taona noho ny tsy fahazakana ilay singa mahafaty, ilay vaviaivo 09 taona kosa mbola azo nialana nenina nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana noho izy angamba tsy mbola nihinana maro tamin’ilay holatra. Nitondra ny fampiononana sy fankaherezana ho an’ny ray aman-drenin’ireto zaza maty ny fitondram-panjakana notarihan’ny lehiben’ny distrika ao an-toerana, sy nitondra fanampiana fitsaboana ho an’ilay zaza 09 taona mbola tsaboina ao Soanierana Ivongo.
Malala Didier