- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversSoanierana Ivongo : Filohan’ny mpanolontsain’ny kaominina, namono nahafaty mpangalatra lavanila

Soanierana Ivongo : Filohan’ny mpanolontsain’ny kaominina, namono nahafaty mpangalatra lavanila

Nisy fitsaram-bahoaka nitranga indray tany amin’iny faritra Sonierena Ivongo iny ny herinandro nivalona teo, araka ny fanambarana tonga taty aminay avy tamin’ny Fikambanan’ny Mponina Ivongo na FMI, izay nosoniavin’ny filohany Atoa Bertrand. Araka io fampitam-baovao io dia nisy tovolahy iray tratra nangalatra lavanila manta teo am-potony tao amin’ny kaomina Fotsialanana Soanierena Ivongo ny alatsinainy 7 aprily lasa teo. Nosamborin’ny tompon’ny tany izay tsy iza fa filohan’ny mpanolontsain’ny kaominina ao an-toerana ity tovolahy ity ary notsatohana avy hatrany tamin’ny lefona ka maty tsy tra-drano. « Nisy ankizilahy saika hangalatra lanilina manta teny am-potony, saron’ny President sy ny zanany ka nifanenjehana. Afaka 200 metatra dia tratran-jareo io ankizilahy io ka avy ahtrany dia nitsindoman’i President (salohy na saboha na lefona) ilay mpangalatra ary maty teo no eo. Avy eo noentin-jareo tamin’ilay toerana nisy ilay lavanilina » araka ny voasoratra tao anatin’ilay fampitam-baovao.  Raha ny voalazan’ity fikambanana ity dia « hatramin’izao tsy nisy fanadihadiana na fandefasana dossier eny amin’ny Fitsaràna  (…) Noho izany mangataka ny fianakavin’ilay maty mba ho jeren’ny Fanjakana  avy aty ambony ity raharaha famonoana olona ity». Fantatra tokoa fa miha-mahazo vahana tanteraka ity halatra lavanila ity any amin’ireo faritra mpamokatra izany. Na io lavanila manta mbola eny am-potony na ireo efa maina. Ambony vidy tokoa ny lavanila, izay lazain’izy ireo fa « volamena maitso », antony manosika ireo mpanao ratsy hangalatra izany. Mazàna anefa dia rà mandriaka foana no hiàfaran’ny tantara. Etsy ankilany mantsy dia vonon-kamono mihitsy ireo olon-dratsy mba ahazoany izay tadiaviny. Etsy andaniny kosa, tsy mitsitsy ireo tompon’ny lavanila rehefa mahatratra ireo mpangalatra. Toy ilay nitranga farany tany Nosy Varika teo, ka namoizana olona telo be izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici