Raha vao nahare vaovao ny olona any amin’ny faritra Analanjirofo sy ny tapany avaratr’i Toamasina, fa vaky ny kariera safira amin’ilay toerana somary nosy, any amin’ny kaominina ambanivohitr’Andapafito, distrikan’i Soanierana Ivongo, dia olona an’arivo no nirohotra efa tonga any an-toerana amin’izao, ary an-jatony ankehitriny ireo teratany vahiny voalaza fa mpividy vato efa manorim-ponenana any. Noho ny fisian’ity kariera safira vao nipoitra ity, dia hisy androany alakamisy 19 jolay ny fombafomba ara-drazana ho fangataham-pitahiana amin’ny razana, ka omby miisa dimy no hovonoina hisantarana ny fitrandrahana, raha ny tati-baovao voaray.
Eric Manitrisa