Araka ny vaovao nampitain’ny “officier” Tsima Angelot misahana ny kaomisarian’i Soanierana Ivongo, dia nahenoan’izy ireo vaovao fa mbola misaodisaody any an-toerana ilay jiolahy faha-3 naman’ilay antsoina hoe Stephan, 35 taona avy ao Anosipatrana Antananarivo, sy Gaston 29 taona avy ao Antsirabe Maromitety Vavatenina, izay efa miandry fitsarana am-ponja raha niakatra fitsarana ny alatsinainy teo.
Nomarihan’ity lehiben’ny kaomisaria ao Soanierana Ivongo ity, fa eo am-panaovany vela-pandrika ity jiolahy mitam-basy ity izy ireo izao, satria mikasa mbola hanafika ilay mpandraharaha vokatra fanondrana any an-toerana izy ity, izay heverina araka ny fanazavana hatrany, fa nanampy namana amin’ny fikasan-dratsy tian’izy ireo hatao. Nandritra ny fahatrarana ireo namany, ny 30 martsa teo, mantsy raha nahatrarana basy PA marika “Makarov” izy roa lahy, dia mbola manana basy mitovy marika amin’io tratra io ity jiolahy faha-3 tafaporitsaka tamin’ny vela-pandrika natao ity.
Nohamafisin’ny “officier” Tsima Angelot fa fotoana mampirongatra ny fanafihana mitam-piadiana tahaka izao ny vanim-potoana misy, noho ny fiakaran’ireo vokatra fanondrana samy hafa, jirofo sy lavanilina tsy ho ela, ary mazana dia jiolahy avy any ivelan’ny faritra avokoa, matetika no manao izany any an-toerana.
Malala Didier