
Efa ao anatin’ny fahatohizany, eo am-piandrasana ny daty fisokafany, ny lavanilina amin’izao fotoana izao ao amin’ny faritra Analanjirofo; koa tsy mahazaka izany ireo mpangalatra noho ny vidiny somary ambony farany teo, ka manomboka mangalatra ny an’ireo mpamboly.
Ny alin’ny talata 14 febroary nifoha ny alarobia 15 febroary teo dia tranga iray tamin’ny halatra lavanilina io no nitranga tao amin’ny fokontany Marovinanto, kaominina Soanierana Ivongo. Tovolahy maromaro no nanao ity halatra lavanilina am-potony eny an-tsaha ity, nefa tsy hain’izy ireo fa manomboka manao fiambenana ireo andimasom-pokonolona amin’izao fanombohan’ny fahatohizan’ny lavanilina izao ao Soanierana Ivongo. Vao raikitra ny antsoantso tamin’ny halatra nataon’ireto tovolahy ireto, dia nifanenjehan’ny fokonolona izy ireo. Tsy afaka tamin’izay ny iray noho ny andro alina rahateo, ka dia noraisim-potsiny ka nampiharan’ny fokonolona ny hatezerany tamin’ny daroka. 20 taona eo ity tovolahy ity, tonga naka azy ny zandary tao Soanierana Ivongo nitondra azy namonjy hopitaly, saingy tsy tana ny ainy noho ny fahaverezan-drà be loatra sy ny hamafin’ny daroka nahazo azy.
Ireo ambiny kosa tafaporitsaka tsy nisy tratra izay tsy fantatra marina ny isany; eo am-panarahan-dia azy ireo koa anefa ny zandary ao Soanierana Ivongo taorian’ny fitorian’ireto fokonolona noho izao halatra lavanilina am-potony izay mateti-pitranga any an-toerana izao…
Malala Didier