- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversSoanierana Ivongo : Mpianatry ny lisea « 1ere D » maty...

Soanierana Ivongo : Mpianatry ny lisea « 1ere D » maty nodomina môtô.

Ny alarobia teo tokony tamin’ny 6ora hariva, mpianatry ny lisea ao Soanierana Ivongo  “1ere D” no maty voafaokan’ny môtô nirifatra mafy, tao an-tampon-tanana.

Raha ny vaovao nangonina avy tany an-toerana, dia nanana ny rariny satria tan-tsisin-dalana tsara falehan’ny olona no nisy ireo  mpirahalahy 18  sy 19 taona, fa ilay môtô no nirimorimo ka tsy nahatana ny familiana noho ny fandehanana mafy, ka nifatratra tamin’izy mirahalahy tsy nanampo na inona na inona ireto akory. Nezahana  nentina tany amin’ny hopitaly izy mirahalahy ireto, saingy noho ny dona mafy nahazo ilay  18 taona teo amin’ny lohany sy ny tratrany, dia tsy tana ny ainy. Nosamborin’ny polisy any an-toerana ilay tovolahy nahavanon-doza nirifatra tamin’ny môtô ity. Nisy ny fakana am-bavany azy; izay hiakatra tsy ho ela eo anivon’ny fitsarana ao Toamasina ny raharaha.

Voalaza ihany koa fa manara-maso akaiky sy nanampy ilay tovolahy 19 taona mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly ao Soanierana Ivongo; sy mikasika ilay tovolahy nahavanon-doza namono mpianatra izao, ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici