- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversSoanierana Ivongo : Nanatitra fanampiana ho an’ireo rava trano noho ny ranomasina...

Soanierana Ivongo : Nanatitra fanampiana ho an’ireo rava trano noho ny ranomasina ny antoko Tgv

Ny andron’ny talata 27 avrily teo dia tonga tao Soanierana Ivongo misy ny tanànan’ny Ambinany ny antoko Tgv, notarihan’ny sekretera nasionalin’ny antoko misahana ny faritan’i Toamasina no sady solombavambahoaka, Rtao Naharimamy Irma Lucien, nanatitra ireo fanampiana ho an’ireo traboina vokatry ny fiakaran’ny ranomasina.

Olona 81 no tra-boina avy amin’ny tokantrano 31 tsy manan-kialofana, noho ny fiakaran’ny ranomasina nanimba ny tranon’izy ireo. Nisy ny soso-kevitra narosin’ity solombavambahoaka ity nandritra izany, dia ny hanaovana rarivato ny sisin-dranomasina misy ireto vahoaka ireto, hialana amin’izao faharavan’ny tranony lava ao Ambinany izao.

Mbola naverin’ireo mponina hatrany fa ilay seranana tsy mety vita ao an-toerana no nitarika izao fiakaran’ny ranomasina nanimba ny tranon’izy ireo izao, ka tokony ho jerena akaiky ny mikasika azy io fa raha tsy izany tsy hitsahatra izao fahasimbana izao, raha tsy hoe hafindra monina amin’ny toeran-kafa izy ireo izay mbola tsy hita ny toerana.

Ankoatra izany dia nisy hatrany ny fanentanan’ny solombavambahoaka niaraka tamin’ny governora ny faritra Anananjirofo, amin’ny fanentanana amin’ny valanaretina corionavirus, izay lasa mirongatra be ny tahan’ny voany ao Ananajirofo ao ankehitriny. Nisy moa ny fizarana arovava orona nandritra izany nataon’ireto delegasionina ireto.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici