Tonga nitangorina teo amin’ny kaomisarian’ny polisy tao Soanierana Ivongo ireo vahoaka an-jatony avy tany amin’ny fokontany Andapafito, ao amin’ny distrikan’i Soanierana. Ny antony dia resaka fiotazana lavanilina alohan’ny fotoana nataon’ity tantsaha iray tao amin’ity fokontany ity, noho ny voalaza fa fahazoan-dalana nomen’ny lehiben’ny fokontan’Andapifito azy. Raha ny angom-baovao natao dia ny herinandro nivalona iny dia nalain’ity tantsaha mpamboly lavanilina ao amin’ny fokontany Andapafito ity ny lavaniliny nefa mbola tsy misokatra ny taom-piotazana. 20kgs ihany no voalazan’ny vaovao fa alalana azony, nefa 40kgs mahery ireo lavanilina notazany. Tsy nampaninona ny solontenam-panjakana any an-toerana anefa izany, fa ny antony tena nahatonga ny olana dia nandrahoan’ity tantsaha ity ilay lavanilina ka voatery nandray ny andraikiny ny tompon’andraiki-panjakana nampiantso ity tantsaha ity hamaly ny fangataham-panazavana azy. Tonga tao Soanierana Ivongo tokoa ny tenany hamaly ny antso, nanao andian’ny am-polony izy ireo izay samy mpamboly lavanilina ihany koa, saingy nisy ity milaza ho delegen’ny mponina any an-toerana ROSIN nilaza tamin’izy ireo fa manome vola 170.000 ariary azy avokoa izy am-polony ireo dia milamina ny raharaha. Natoky izany ireto mpamboly lavanilina dia niverina nody tsy namonjy ny fampiantsoana azy tao amin’ny polisy tany an-toerana. Raha naheno ity fakana vola tsy ara-dalana nataon’Ingahy ROSIN ity ny lehiben’ny distrika ny alakamisy teo, dia naniraka polisy hisambotra ilay efa nahandro lavanilina tao Andapafito tsy ara-dalana ity. Tsy tratran’izy ireo anefa ilay mpamboly lavanilina ka ilay filoham-pokontany voalaza ho nanome alalana azy nanao izany no nosamborin’ny polisy hoentina hiatrika ny fakana am-bavany azy. Raha nahare izany anefa ilay mpamboly lavanilina tsy nanara-dalana dia tonga nanara-dia ity filoham-pokontany ity, saingy raha tonga teo anivon’ny polisy dia mbola nasaina nody aloha satria nokasaina ho anio sabotsy no hakana am-bavany azy. Raha nahare anefa ireo mponina tao Andapafito fa nogadrain’ny polisy ity tantsaha mpamboly lavanilina ity sy ny filoham-pokontan’izy ireo dia nanao diabe nitaingin-dakana roa ary nitangorona teo anivon’ny kaomisarian’ny polisy tokony tamin’ny 02 ora sy sasany. Raha nifanazava teo ny roa tonta dia niravona ihany ny olana ka niverina namonjy fodiana ireto fokonolona. Izy roa kosa mbola miandry ny fangataham-panazavana azy ireo ao Soanierana Ivongo. Tsy nisy ny zavatra simba, tsy nisy ny voasambotra, nilamina ihany koa ny tanana taorian’ny olana.
Malala Didier