- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversSoanierana Ivongo : Nitrangana hain-trano indray

Soanierana Ivongo : Nitrangana hain-trano indray

Taorian’ny tsena dia trano miisa 22 tafo indray no kilan’ny afo tao main’ny fokontany Ambinagny, distrika Soanierana Ivongo ny sabotsy teo. Tokony ho tamin’ny 11 ora alina tany ho any no nitranga ny loza, araka ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana. Afo izay niainga tao amin’ny tokontrano iray. Hatreto dia tsy mbola tsy fantatra mazava izay tena antony. Nanomboka tao amin’io trano voalohany io ary nihitatra nandevona ireo trano am-polony maro tao an-toerana. Araka ny vaovao azo hatrany dia tsy nisy aloha ny aina nafoy na ny naratra tao anatin’izany, saingy kosa ny fahasimban-javatra no tena goavana. Fianakaviana am-polony maromaro no tsy manan-kialofana intsony tao aorian’io loza io. Ireo fokonolona, niampy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy tao an-toerana moa no niezaka nifehy sy namono izany afo nijoalajoala izany. Ny ampitson’ny loza dia tonga teny an-toerana nitondra ny voatsirambin’ny tanana sy ny fanampiana ho an’ireo tra-boina moa ny tompon’andraikitra voalohany misahana ny iny faritra iny. Efa nisokatra kosa ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana ahafantarana marina izany tena niavian’ny loza.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici