Taorian’ny hetsiky ny depiote mpanohitra teto Toamasina ny sabotsy tolakandro, izay tsy tafiditra tao amin’ny kianja mitafon’ny “Dojo” Soavita, izay toerana nomen’ny kaominin’i Toamasina azy ireo, raha nangataka ny lapan’ny tanana izay afovoan’ny tanana ireto depiote mpanohitra ireto, ka nanao ny tatitra tamin’ny vahoaka tao amin’ny trano fisakafohanan “le Bateau Ivre”, dia nokasaina hotohizana tany Soanierana Ivongo, distrika nahalany ny depiote Tody Arnaud, ny hetsika amin’ny fanaovana tatitra amin’ny vahoaka. Tahaka ny teto Toamasina anefa dia efa voabahan’ny mpitandro ny filaminana mitambatra avy ao Fenerivo Atsinanana sy ny tao Soanierana Ivongo ny tranom-pokonolona nomen’ny ben’ny tanana azy ireo hanaovana izany. Vokatr’izany dia tsy afaka nanao tatitra tamin’ny vahoaka tao Soanierana Ivongo ireto depiote ireto, na tamina toerana manokana sy tsy miankina aza; nefa nilaza izy ireo fa mbola hiverenan’izy ireo izany tsy ho ela, satria ny lalana no manome alalana azy ireo amin’ny fanaovana tatitra amin’ny vahoaka ao anatin’ny tamberin’andraikitra ho an’ny mpifidy. Ankoatra izany dia mbola tsy mety vita ny famindram-pitantanana eo amin’ny lehiben’ny distrika vaovao sy ny teo alohany. Sady tsy mety manao izany famindram-pitantanana izany ny teo aloha no tsy mety mamerina ny fanalahidy any aminy ihany koa. Isaky ny mitady azy ny tompon’andraikitra dia tsy hita ao an-tanana mihitsy ity lehiben’ny distrika teo aloha ity, nefa rehefa alina ny andro dia misy mahita anaty “Bar” ny tenany.
Malala Didier